Flash
Préc Suiv

Tetibola sy fotodrafitrasa: betsaka ny lalana tsy vita izay nofaritana be indrindra

Tetibola sy fotodrafitrasa: betsaka ny lalana tsy vita izay nofaritana be indrindra

 

 Tsy zakan’ny tetibolam-panjakana 2018 ny fotodrafitrasa tokony hamboarina, indrindra ny lalana. Misy ny efa ny vita, ny vao natomboka, fa betsaka ny asa mbola tsy mihetsika, araka ny namaritana azy ao ao anatin’ny  tetibolam-panjakana.

Natokana ho an’ny fotodrafitrasa ny 18,4 % amin’ny tetibolam-panjakana 2018, araka ny voasoritra tamin’ity taona ity. 1 317 miliara ariary ho an’ny fanamboarana na fanarenana izany fotodrafitrasa izany. Tetikasa nofaritana be indrindra ny fanamboarana sy ny fikojakojana ny lalam-pirenena: ny RN 43 (Sambaina-Faratsiho), ny RN 13 (Ihosy –Taolagnaro), ny RN6  (avy eo Ambanja hatrany Antsiranana), ny RN 5A (Ambilobe-Vohémar). Manampy ireo ny lalana sasany mampitohy ny samy ao anatin’ny faritra.

Ny RN 43, vao natomboka ny volana avrily lasa teo ny asa ary nilaza ny filoha Rajaonarimampianina fa ho vita ao anatin’ny 18 volana. Mbola tsy hita soritra mihitsy ny fanombohan’ny asa amin’ny RN 13, sady tsy vitan’ny fanjakana ny ilaina ho amin’izany. Ny faran’ny taona 2017 anefa, nanao fanambarana ny filohan’ny Repoblika fa nahazoana famatsiam-bola 235 tapitrisa dolara izy io ka avy amin’ny BEI (Banque européenne d’investissement) ny 120 tapitrisa dolara, vola ampindramina ; raha vola tsy averina avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny 115 tapitrisa dolara, hanamboaran-dalana 744 km any amin’ny tapany avaratra sy atsimon’ny Nosy.

Fampanantenana hatry ny ela ny RN 5A

Andrasan’ny maro ihany koa ny RN 5A, Ambilobe-Vohémar. Nampanantena ny fanamboarana io lalam-pirenena io ny fitondrana maro nifanesy nefa mbola tsy mihetsika hatramin’izao. Tsy mahataitra ny mponina any an-toerana intsony ny fampanantenana ataon’ny mpanao politika momba io lalana io. Amin’ny ankapobeny, 6 800 km ny lalana  noheverina hasiam-panamboarana, raha ny voalaza ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Firy isan-jato amin’izay ny vita amin’izao fotoana izao ?

Tafiditra ao anatin’ny fotodrafitrasa izay ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina any Maroantsetra, ny any Mananara, ny any Antalaha, ny any Maintirano, ny any Ampanihy. Mbola seranana tamin’ny Repoblika voalohany, tsy nisy fanamboarana mihitsy hatramin’izao, raha ny any Maintirano sy ny any Ampanihy. Tombontsoan’ny olom-bitsy ny tsy fanamboarana ny lalana Tsiroanomandidy mankany Maintirano, ary voalaza fa misy tambajotra matanjaka miaraka sy miaro ny dahalo any amin’ny faritra Melaky misakana ny fanamboarana io lalana  io.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.