Flash
Préc Suiv

“Marathon International de Tana”: nasiam-panovana ny lalana hihazakazahana 

“Marathon International de Tana”: nasiam-panovana ny lalana hihazakazahana 

 

 Hiditra amin’ny andiany faha-18 ny “Marathon international de Tana”. Hiavaka ny amin’ity satria hisy fanovana ny lalana hihazakazahan’ireo mpifaninana. Ankoatra izay, hisy atleta vahiny ho avy handray anjara.  Hotanterahina, ny alahady 21 oktobra 2018 izao izany. Nambaran’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA)  sy ny World Trade Center, mpikarakara, fa mba hahazoana vokatra tsara, voatery nasiam-panovana ireo lalana hihazakazahan’ny mpifaninana, amin’ity  indray mandeha ity. Anisan’izany ny fanafoanana ny fihodidinana ny kianjaben’i Mahamasina. Lalana vaovao kosa ny fandehanana mankany Andrefan’Ambohijanahary. Toy izany koa ny fandehanana eny amin’ny Boulevard de l’Europe Tsaramasay, ny eo amin’ny rond point Ankazomanga, mandray an’Antohomadinika, avy eo, mihazo an’Antanimena, mipaka any amin’ny gara Soarano ary miafara eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna, toerana hahatongavana.

Tanjon’ny mpikarakara ihany koa ny hanatsara ny fe-potoana. Araka izany, hiantsoroka ny fanasana ireo atleta vahiny handray anjara ny federasiona malagasy. Efa nandefasana fanasana ny  Kenyanina, ny Etiopianina ary ny Afrikanina Tatsimo, miampy ireo avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina.

Atleta sahaza ny Malagasy

Nomarihin’i Mahatana Jean de la Croix, talen’ny hazakazaka, fa ezahina ho ireo manana fe-potoana manodidina ny 2 ora 20 mn no hafarana, hisian’ny fifandanjana eo amin’ny atleta malagasy nefa hahafahana manatsara fe-potoana ihany koa.

Toy ny mahazatra, tafiditra ao anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy fampiroboroboana ny fizahantany, amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ihany koa, ny “Marathon international de Tana”, iarahana miasa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fizahantany.

Tsy hiova ny loka fa hahazo lelavola 2.000.000 Ar miampy amboara sy medaly volamena ny voalohany eo amin’ny lehilahy sy vehivavy.

Ankoatra ny “Marathon international de Tana”, hisy koa ny “les foulées ecolo” sy ny “corporate”, ary ny “handirun”, izay samy mirefy 10 km avy ary ny “maratoons”, mirefy 1, 5 km, ho an’ny ankizy.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.