Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe: nanoman-tena teny Vontovorona ny Cnaps Sport

Tsipy kanetibe: nanoman-tena teny Vontovorona ny Cnaps Sport

 

Anisan’ireo taranja ao anatin’ny fanatanjahantena, eo anivon’ny Cnaps, ny tsipy kanetibe. Ho fanomanana ny taom-pilalaovana 2018 – 2019, nanatontosa fampivondronana ireo mpilalaony miisa 30 mianadahy ny seksiona tsipy kanetibe Cnaps Sport. Notontosaina, teny amin’ny kianja Vontovorona, izany ny asabotsy 29 jolay lasa teo. Nisy fihaonana, natao teo amin’ireo samy mpilalaon’ny Cnaps Sport, lalao ho an’olon-telo miaraka, ny teo amin’ny lehilahy, ary olon-tokana kosa ny an’ny vehivavy. Nozaraina ho ekipa 10 izy ireo ka nandrombaka ny fandresena teo amin’ny lehilahy i Narilala sy i Lava ary i Tiana, rehefa nandresy ny ekipan-dry Criminel, nahitana an’ i Chris sy i Tita ary i Josoa, tamin’ny isa 11 no ho 8, teo amin’ny famaranana. notolorana “survêtement” sy kitapo ny laharana voalohany.

I Dinasoa kosa no tompondaka teo amin’ny vehivavy. Rehefa nandresy ny mpifanadrina taminy, tamin’ny isa 11 no ho 9. Marihina fa teo ambany fiahian’ny lehibe mpitarika ny ekipa sampana tsipy kanetibe eo anivon’ny Cnaps, ny Dec Rasoanaivo Didier, izay notolorana mari-pahatsiarovana; sy ny filoha Andriamiamina Rivo nirina Rostand, ny lalao.

Mitohy hatrany ny fanazarantenan’ny mpilalaon’ny Cnaps Sport, isaky ny asabotsy maraina etsy amin’ny kianjan’ny Cnaps 67 ha.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.