Flash
Préc Suiv

Roso toy tsa mipody koa…

Roso toy tsa mipody koa…

Manitsaka ny volana aogositra isika. Hanamarika izany ny fisokafan’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina etsy Ambohidahy ho an’ireo mpilalao vonona amin’izany. Mazava ny fepetra sy ny fitsipi-dalao ary koa ny sarany ao anatin’izany fifaninanana izany. Efa misy ny maka bahana sy nanao fanazarantena mialoha ny lalao. Ao ireo miantso ny hiakaran’ny mpilalao izatsy na izaroa, hiatrika ny fifaninanana. Mavitrika koa ireo mpanohana sy mpijery hafa amin’ny fanambarana amin’ny haino aman-jery fa izahay maka ny ekipan-dranona  sy ranona… Mbola hanao ranolava io fa vao manomboka isika izao. Ny azo antoka, lasa izao…  Roso toy tsa mipody koa. Tsy misy hiandry ny tsy afaka izany intsony izao ka ho variana ny hivoy etsy sy eroa fa aleo aloha hanorina ny eny ifotony… Na koa mitabataba midina eny an-kianja, tsy misy mpijery sy mpanohana akory ka miantsoantso fa aoka aloha tsy hirosoana ny lalao… Efa fantatra daholo ihany izy ireo fa ao ambadiky ny ekipan’ny mpiakanjo manga eo anivon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Efa nitantana tamin’ny sehatra samihafa na koa nanana andraikitra teto amin’ny firenena, saingy tsy nahomby. Ny sasany amin’izy ireo aza, efa naloan’ny vahoaka sy ny mpijery na koa tsy sahy  niakatra kianja mihitsy. Miantsoantso ho manana vahaolana eto amin’ny firenena nefa miketrika seza hiverenana amin’ny tetezamiitra 18 volana tsotra izao… Tsy ratsy akory ny fivoizana ny fanorenana ifotony, saingy mitadiava ekipa afaka hisalotra izany fanamiana izany ary reseo lahatra ny vahoaka hanohana.  Miakara kianja avy eo, hifanandrina amin’ireo  efa vonona sy manana paikady hilalaovana eny ambony kianja… Avelao hifidy ny ekipa tiany ny vahoaka fa aza rebirebena amin’ny tsy hirosoana amin’ny fifidianana na koa fendrofendroina amin’ny olana samihafa miseho eto amin’ny firenena. Efa manana vahaolana amin’izany ireo mitonona ho kandidà matoa sahy sy vonona hiatrika lalao…

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.