Flash
Préc Suiv

CUA – New-York: nahaliana i Antananarivo

 

Fahombiazana ny dian’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao, tany New-York, Etazonia, niatrika ny fivoriamben’ny fivondronamben’ireo governemantam-paritra sy ireo tanàn-dehibe eto amin’izao tontolo izao (CGLU), nandinihana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe sy ny kaominina ary ireo governemantam-paritra.

Tafaverina an-tanindrazana ny ben’ny Tanàna ary nambarany fa nahazo sitraka tamin’ireo mpivory i Madagasikara nandritra izany, indrindra ny tanànan’Antananarivo.

Azo lazaina ho maro ireo ezaka fampandrosoana ny tanàna nataon’ireo kaominina solontenan’i Madagasikara tany any an-toerana: ny kaominina Antananarivo Renivohitra, i Mahajanga ary i Fianarantsoa.

Anisan’ireo ezaka natao ny fanombohana fampidiran-ketra amin’ny finday na ny « mobile banking », ny fanaovana fambolena an-tanàn-dehibe, ny fanomezana sakafo ny mponina sahirana amin’ny fivelomana …

Fantatra fa amin’ny volana oktobra ho avy izao, ho tonga aty Madagasikara ny avy amin’ny CGLU eran-tany. Hijery avy hatrany ny tetikasa momba ny fampandrosoana iarahana amin’ireo kaominina aty Madagasikara ka anisan’izany Antananarivo.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.