Flash
Préc Suiv

Mamohehitra ny ataon’ny mpitatitra

Mamohehitra ny ataon’ny mpitatitra

 

Ho ratsy fanombohana ny volana aogositra mitsidika io. Misy taxi-be vitsivitsy hampiakatra ny saran-dalany ho 500 Ar raha 400 Ar izany ankehitriny. Mba hevero ary fa raha misy olona efatra tsy maintsy handeha mandroso sy miverina ao amin’ny fianakaviana iray, voatery  mitady 800 Ar amboniny isan’andro izany izy ireo. Raha atao hoe 20 andro ny iray volana, esorina ny asabotsy sy alahady, efa 16 000 Ar ny vesatra. Tsy te hahalala izany ny mpitarika ny kaoperativa fa maty antoka ,hono, izy ireo noho ny fisondrotry ny vidin-tsolika, ny sandan’ny hetra isan-karazany, ny fidangan’ny vidin’ny kojakoja kanefa ny arabe, simba sy potika ny ankamaroany. Manahy ny mbola hampiharana ny vidin-tsolika tena izy ny mpitatitra ka nataony tonga mialoha ny azy. Tsy mba nisy resaka kosa aloha ny fanatsarana ny tolotra e! Fiara efa tokony hatao tranon’akoho, mbola miasa ihany. Tsy voahaja ny  bokin’andraikitra fa izay tian’ny mpamily sy ny mpanampy azy no ataony. Ilay midona miverina io. Raha vao maizina ny andro, efa lasa mody izy mianakavy. Ny vola, tsy maintsy atao madinika raha tsy te hahazo hasosorana amin’ny resevera ianao. Ny mozika atao mitatata, tsy hifandrenesana ao anaty fiara fitateram-bahoaka. Ny fifanenjehana amin’iny lalana iny, nahafatesana olona tsy manan-tsiny maro. Ny tompon’andraikitra moa rehefa tonga ny patsa iray tsy omby vava, milaza fa tsy hitsitsy, tsy handefitra intsony amin’ireo tsy manara-dalanà na mihoa-pefy. Herinandro raha be indrindra no mody sarotiny fa miverina indray ny baranahiny sy ny kitoatoa avy eo. Dia toy izany hatrany. Ny mpitatitra anefa, mbola omena fanampiana koa. Raha ny kajikajy nataon’izy ireo, tokony ho 486 000 Ar isam-bolana ny atolotra ny fiara iray ho tohana. Koa raha mahita izany volabe izany ny fanjakana, maninona raha miverina mitantana indray ny fitateram-bahoaka toy ny tany aloha. Ny nahavoa ny Fibata, ny Antafita ary ny Fima anie ny fampidirana resaka politika e! Nomena asa tao daholo izao fianakaviana rehetra izao. Tokony hatao hakana lesona ny lasa fa tsy ho sakana ka hamelana ny taxi-be hanao izay danin’ny kibony. Ary aiza moa ilay “bus intelligents” sa hitaterana ny mpijery propagandy atsy ho atsy?

Vonjy Andrianjaka

Les commentaires sont fermées.