Flash
Préc Suiv

Kidnapping tetsy Tsaralalana: lasan’ny jiolahy nirongo basy i Abdoul Aziz Mansour

Kidnapping tetsy Tsaralalana: lasan’ny jiolahy nirongo basy i Abdoul Aziz Mansour

Mitohy hatrany ny fakana an-keriny eto an-drenivohitra. Karana iray indray, lasibatry ny jiolahy. Vao nivoaka ny toeram-pivarotany teny Tsaralalana izy io, notomorin’ny olon-dratsy…

Nisy naka an-keriny teny Tsaralalàna, ny alakamisy 13 jolay teo, ny karana iray, tompona magazay lehibe,i Abdoul Aziz Mansour, 48 taona. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany teo, tao anatin’ny fiarany Tuguan 22293 WWT miloko, izy no nalain’ny jiolahy nirongo basy an-keriny. Efa maizina tamin’io fotoana io ka tsy nisy nahatsikaritra firy ny zava-nitranga. Araka ny vaovao voaray, nentin’ireo jiolahy niaraka tamin’ny fiarany ilay karana io. Fantatra fa nariana teny Ambohidrapeto Itaosy ilay fiara taorian’izay. Hitan’ny olona navela teny an-toerana io fiara Tuguan fotsy io ary nampandre ny zandary avy hatrany izy ireo.

Tsy hita nanomboka teo ilay Karana ka manao antso avo ny fianakaviany sy ny CFOIM amin’izay afaka manome vaovao momba ireo mpaka an-keriny. Misy ny valisoa omen’ireo Karana ireo. Ny teo anivon’ny mpitandro filaminana rahateo tsy mbola manana vaovao momba ity tranga ity rehefa nanontaniana. Anatin’ny fanadihadiana izy ireo, raha ny filazany.

Mirongatra…

Araka ny efa nambaran’ny CFOIM hatrany, mirongatra tanteraka ity fakana an-keriny karana ity amin’izao. Tsy mbola nisy tahaka ity hatramin’izay, satria tao anatin’ny roa volana latsaka monja, efa ho fito ny isan’ny trangana fakana an-keriny karana teto Antananarivo. Vao roa herinandro lasa ilay fakana an-keriny karana vavy teny Ivandry, ity indray teny Tsaralalàna. “Efa tafahoatra loatra izy ity”, hoy ny CFOIM.

Tsy voafehy ity fakana an-keriny ity. Tsy vitan’ny fanjakana ny miady amin’izany na teo aza ny antsoantso sy ny lokalokan’ny mpitondra. Anatin’ny raharaham-pirenena mafampana rahateo, ny fifidianana sns, mirongatra ny fakana an-keriny. Sao ireo mpanao politika ihany aza ny ao ambadik’izy ity e?

Yves S.

Les commentaires sont fermées.