Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny fifidianana Miady an-trano ny HVM

Fiatrehana ny  fifidianana  Miady an-trano ny HVM

Vaky bantsilana ambatolampy  ny ady an-tranon’ny samy mpikambana  eo anivon’ny antoko  HVM ary mizarazara tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao. Miseho izany volana vitsy mialoha ny  fifidianana.

Nilaza ny fametraham-pialany  tsy ho mpikambana ao anivon’ity antoko  ity intsony amin’ny alalan’ny “facebook” ny birao  politika  sady ministra teo aloha, Rabary  Paul. Efa mandeha ny resaka ny  haha kandidà azy. Tahaka izany koa ny Praiminisitra teo aloha, Mahafaly Solonandrasana.  Efa miketrika ny handeha  irery ary ho kandidà  koa,  na mbola misy raharaha mahavoasaringotra azy amin-dRazaimamonjy Claudine amin’ny kolikoly sy ny  fanodinkodinam-bolam-panjakana aza.

Manaparitaka volabe miaraka amin’ny  HFI

Etsy andaniny, ireo  tandapa sy mpanolotsaina sasany  toa an-dRahajason Harry na ry  Mbola  Rajaonah miaraka amin-dRazafindravahy Edgard,  manobaka volabe hatrany amin’ny 5 miliara Ar hitetezana  faritra sy hanohanana ny Hetsika  ho amin’ny fanorenana ifotony (HFI) hisakanana ny fifidianana. Hanalavana ny fe-potoam-piasan’ny  filoham-pirenena  indray ny ketrika amin’izany  ary  hitsipahana ny fifidianana.

Ankoatra izany,  mirona  ho any amin’ny tokony hirosoana amin’ny  fifidianana kosa ny filohan’ny  Antenimierandoholona,  Rakotovao Rivo. Mazava ny azy fa ho filoham-panjakana afaka  iray  volana, satria miala amin’ny 7 septambra izao ny filoha amperinasa noho ny fifidianana mialoha ny fotoana, nambaran’ny HCC. Hitantana firenena izany ny tenany manomboka eo ka efa dodona amin’izany fifidianana  izany koa  noho ny seza.

Miketrika  hala-bato bevata…

Ao koa anefa  ireo HVM marisika amin’ny fifidianana ary efa miketrika hala-bato bevata  miaraka amin’ireo sefo fokontany hatrany amin’ny 80%  manerana  ny Nosy. Manampy azy  ireo ny lehiben’ny distrika sy  ny lehiben’ny  faritra  na  “coach” hitady  ny hirika sy ny fomba  rehetra hampandaniana an-dRajaonarimampianina.

Midika izany fa voazarazaran’ny resaka tombontsoa sy ny seza ary ny vola ny  eo anivon’ny antoko  HVM. Voaporofo ny  tsy  fahamatorana sy ny fihatsaram-belatsihy.

Randria

Les commentaires sont fermées.