Flash
Préc Suiv

Fahafatesan’ i Carile:  » Tsy jiolahy ny zanakay… » hoy ny Grand Sud Est

Nampiantso mpanao gazety, omaly tolakandro ny fianakavian’ilay tovolahy voalaza fa jiolahy matin’ny polisy tao Toamasina, ireo mpikambana eo anivon’ny “Grand Sud Est” monina sy mipetraka ao Toamasina ary nilaza fa tsy jiolahy ny zanak’izy ireo ary tsy mitombina ny filazan’ny polisy fa matin’ny balan’ny jiolahy nifampitifitra izy, raha ny fanazavan’i Georges fantatra amin’ny solon’anarana hoe Rolly. “Tsy mitombina ihany koa ny filazan’ny polisy fa hoe nanolana renim-pianakaviana norobain’izy ireo ity tovolahy ity. Tranga tsy nisy ireo rehetra ireo ary mangataka izahay ny hahita ny tokantrano nolazaina fa notafihina fa tsy misy izany”, raha ny fanazavany hatrany. Niantso ahy ny kaomisera fa efa voasambotra ny olona nitifitra azy ary mangataka izahay mba haseho anay izany jiolahy namany nitifitra azy izany, saingy tsy sahy ny polisy. Midika izany fa tsy ilay izy fa ninian’ny polisy notifirina tamin’ny tsy misy antony tany ho any ny zanakay. Mangataka porofo izahay raha nisy ny tokantranon’olona notafihiny”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny tanora avy ao amin’ny Grand Sud Est monina ao Toamasina. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa diam-bala roa no hita teo amin’ilay tovolahy maty. Teo amin’ny firihifany sy ny tendany ary balana mpitandro filaminana satria bala 9 mm, hoy izy ireo. Niala tao Toamasina, omaly ny razana ary hihazo an’i Farafangana ka hametraka fitoriana hoan’ireo polisy tompon’antoka tamin’izao fitifirana azy izao ny Grand Sud Est aorian’ny fandevenana. Mandra-pivoahan’ny marina sy fandraisana andraikitra amin’izay polisy nahavanon-doza, hisy ny fidinana an-dalambe anehoana ny fitakiana, hoy ny fanambaran’izy ireo hatrany. Carile, tovolahy 19 taona mpilalao baolina ao amin’ny klioban’ny “piment Vers” ary monina ao amin’ny ray aman-dreniny izay lefitry  ny fokontany ao Tanambao Verrerie Toamasina, parisela 21/72 ity matin’ny tifitra, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy 21 jolay 2018 ity.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.