Flash
Préc Suiv

Betafo: naiditra am-ponja ireo nandroba ny fananan-dRajosoa

Betafo: naiditra am-ponja ireo nandroba ny fananan-dRajosoa

Nidoboka am-ponja, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy miisa valo voarohirohy tamin’ny fandrobana ny fivarotan-dRajosoa, ilay mpandraharaha mpanefoefo ao Betafo Antsirabe II, ny herinandro teo. Efa somary alinalina ihany vao vita ny fakana am-bavany ireo valo lahy tratra tratra teo am-pandrobana ny fananan-dRajosoa ireto. Noraisim-potsiny teo am-panafihana ny tranony ry zalahy ireto, taorian’ny fifanjevoan’ireo andian’olona marobe niditra an-keriny, nandroba sady nandoro ny tranony. Ny ampitson’ny fotoana nitrangan’ilay fandrobana no tonga tao amin’ny fivarotan-dRajosoa ry zalahy, kanjo noraisim-potsiny teo am-pibatana entana izy ireo. Niaiky ny heloka vitany izy valo lahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary.

Tsiahivina fa resaka mifamahofaho momba ny hala-jaza sy halatra taolam-paty ka nahavoasaringotra an-dRajosoa no niantombohan’ilay raharaha. Tovolahy iray mpiasan’ity mpandraharaha ity koa no niantso vonjy tamin’ireo olona tao an-tanàna rehefa avy namono ny zafikelin-dRajosoa ka tsy nanaiky lembenana fa niezaka nanohitra ny fianakaviany, araka ny fanazavan’izy ireo. Nilaza kosa anefa ilay tovolahy mpiasan-dRajosoa fa hoe nodarohana sady notazon’ity mpampiasa azy an-keriny, saingy tafaporitsaka ka niantso vonjy tamin’ny fokonolona. Nahita izany ireo andian’olona marobe ka nirohotra nandroba sy namaky ny tranon’ilay mpandraharaha sady nandoro izany taorian’ny fandrobana. Nanamafy kosa anefa ny zandary taorian’izay fa tsaho niniana naely fotsiny ity raharaha ity fa tsy mitombona ny ahiahin’ireo fokonolona momba ny resaka filazana fa manao hala-jaza sy halatra taolam-paty ity mpandraharaha ity. Mbola mitana ny sain’ny maro araka izany ity raharaha ao Betafo Antsirabe II ity. Andrasana ny tohiny satria vao ny asabotsy teo koa no naiditra am-ponja ireo efa-dahy nikasa hivarotra ankizivavikely 14 taona, tratra tao Ankazomiriotra Mandoto Antsirabe.

J.C

Les commentaires sont fermées.