Flash
Préc Suiv

Tranombarotra Uditec: ahitana karazana fahitalavitra TCL

Karazana fahitalavitra vita sinoa ny amboarin’ny TCL (The Creative Life), fahatelo maneran-tany ankehitriny, mikendry ho voalohany eo amin’ny varotra mifaninana amin’ny vitan’ny firenen-kafa.  Firenena 160 ny ahitana izany, toy ny eto Madagasikara. Teknolojia avo lenta izany karazana fahitalavitra izany no mbola manome tolotra zakan’ny rehetra eo amin’ny tsena.

Misy tolotra vaovao hatrany omen’ny TCL ny mpanjifa amina karazana fahitalavitra samihafa. Mitombo ny tokantrano malagasy manana azy io avy ao amin’ny tranombarotra Uditec, mivarotra azy eto an-toerana, manome fiantohana ho an’izay mividy mandritra ny roa taona. Nandritra ny “Mondial 2018” teo, nanaovana fisarihana izay nividy izany ka voalohany Raharinivo Celestin (nahazo écran plat 43’) ; faharoa i Amada (nahazo écran plat 32’).

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.