Flash
Préc Suiv

Hetsiky ny mpanohitra ny fifidianana – Kianjan’ny 13 mey: mpanao politika efa naloam-bahoaka…

Hetsiky ny mpanohitra ny fifidianana – Kianjan’ny 13 mey: mpanao politika efa  naloam-bahoaka…

Efa  fantatra teo amin’ny nataony sy ny tantarany. Milaza ny hitarika  vahoaka etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, rahampitso talata, ireo mitonona ho mpivoy ny fanorenana ifotony (HFI), mitsipaka  ny hantanterahana ny fifidianana. 

Mpanao politika naloam-bahoaka sy tsy sahy miatrika fifidianana avokoa ny maro amin’izy ireo ary mitady hanao Tetezamita lavareny hatrany amin’ny 18 volana. Hitady seza sy hijapy ny hetsika fitakian’ireo sendikà samihafa amin’izao fotoana izao. Anisan’izany Rakotoniaina Pety sy Razafindravahy Edgard na ry Razafindrakoto Harison… Zara fa nahazo 0,..% tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natrehin’izy  ireo.

Mpikarama an’adin’ny HVM notambazana vola…

Tsy vitan’izany fa manana raharaha maloto amin’ny asan-dahalo sy ny halatr’omby any amin’ny faritra niaviany ny PDS Rakotoniaina Pety. Teo koa ny fanamparam-pahefana nataony fony izy  ben’ny Tanàna tao Fianarantsoa tamin’ny fotoan’androny. Samy mpiray tendro amin’ny HVM avokoa izy ireo ary mpikarama an’ady, notambazana vola tsy handehanantsika any amin’ny fifidianana ka izao miketrika fanakorontanana izao.

Tsy ho azony amin’izany ny vahoakan’Antananarivo efa leo ny fitaka sy ny lainga ataon’ny  mpanao politika tahaka azy ireo. Aoka tsy hopotehina sy hatao sorona ny tanàna sy ny vahoaka eto an-dRenivohitra. Hafa ny hetsika ho an’ny fanovana notarihin’ny depiote teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ireny.

Manolotra kandidà hifampitady any amin’ny fifidianana

Ny  zava-misy, efa miroso ny dingana ho any amin’ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny  fametrahana fitoniana sy filaminana. Manao  ny ezaka rehetra ny governemanta amin’ny alalan’ny  Praiminisitra Ntsay Christian, amin’ny hiatrehana izany. Mitady ny vahaolana rehetra koa eo amin’ny fitakiana sendikàly.  Efa  maika amin’ny fifidianana ny  rehetra  izao. Raha milaza ho tsy  matahotra fifidianana izy ireo, tokony hifidy kandidà tokana hitondra ny fanevan’izany fanorenana ifotony izany. Avelao hotsarain’ny vahoaka ny vinam-piarahamonin’ny kandidà tsirairay avy amin’ny fifidianana. Mifampitady any amin’ny fifidianana…

Tsy hanaiky horebirebena ny vahoakan’Antananarivo

Tsy mazava rahateo ny tian’ireto HFI ireto hahatongavana. Fandrebirebena vahoaka fotsiny  ary ataon’ny fitondrana HVM fitaovana hisakanana  ny fifidianana fotsiny ihany. Mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary anefa ny vahoakan’Antananarivo ka tsy hofitahina tahaka izany…

Randria

Les commentaires sont fermées.