Flash
Préc Suiv

Nilefitra ihany ny mpampianatra: hiverina ny fampianarana eto Analamanga

Nilefitra ihany ny mpampianatra: hiverina ny fampianarana eto Analamanga

Nanao fanambarana ny mpampianatra mitokona eny Antanimbarinandriana fa hiverina, manomboka anio, ny fampianarana ho an’ny sekoly rehetra ao anatin’ny Dren Analamanga. Noho ny tombontsoan’ny mpianatra izay efa nitsahatra tsy nianatra ao anatin’ny telo volana, hanohy ny asa ny mpampianatra. “Tsy nahafa-po ny valin-teny avy any amin’ny fanjakana nefa tsy misy zavatra hafa  azo antenaina satria efa namoaka didy ny filoha momba ny fitakiana, arakaraky ny fahafahana ara-bola”, hoy ny mpitarika ny hetsika, Randrianarivo Hasina. Mbola nanamafy ny fanambarana ny lehiben’ny Dren Analamanga, Andrianilanona Jery miaraka amin’ny lehiben’ny Cisco sy ny Zap. Voalaza fa tsy miova ny tetiandron’ny fanadinana rehetra hatramin’izao ary hanao ny andraikiny ny mpampianatra manoloana izany.

Etsy ankilany, nilaza kosa ny mpitarika sendikà manao hetsika eny amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana fa tsy mitsahatra ny tolona raha tsy mivaly ny fitakiana rehetra. Mbola miantso ny mpampianatra ho tonga eny Anosy izy ireo, anio, hanamafy ny fitakiana fa tsy hiverina eny an-dakilasy aloha.

Ao anatin’izany savorovoro rehetra izany, efa mamarana ny taom-pianarana ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana. Ireo ivontoeram-pampianarana miteny frantsay, niroso amin’ny fialan-tsasatra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.