Flash
Préc Suiv

Fanafihana mitam-piadiana: nandrangaranga “fusil à pompe” ireo jiolahy

Fanafihana mitam-piadiana: nandrangaranga “fusil à pompe” ireo jiolahy

 Tsy tahotra tsy henatra. Andro antoandro be, ary tena ampahibemaso mihitsy no nanatanterahan’ireto jiolahy telo, nirongo basy poleta P.A. sy basy lava “fusil à pompe”, ny fandrobana ny lehilahy iray nandeha môtô, tetsy Ankorondrano omaly.

Nisehona fanafihana vao maraina teny Ankorondrano, omaly tokony ho tamin’ny 10 ora teo. Araka ny zava-niseho teny an-toerana, nosakanan’ny jiolahy telo lahy nitondra basy ny lehilahy iray nitondra moto. Nodarohan’ireo ilay nitondra moto ary nianjera. Nalain’izy ireo ny sakaosy teny aminy ary nitsoaka niampita ny arabe izy telo lahy, izay efa nisy moto niandry azy ireo koa nahafahany nitsoaka nihazo ny lalana Tsaramasay.

Volaza fa vola 100 tapitrisa Ar avy nalaina tany amin’ireny toeram-panakalozam-bola amin’ny finday ireny no nentin’ilay lehilahy tamin’ny moto. Lasan’ireo jiolahy ny volabe, araka zany.

Andanin’izany, nitazam-potsiny ity zava-nitranga ity ny manodidina. Ireo jolahy rahateo, nambaran’ny nahita maso fa nitondra basy PA ny iray raha Fusil à Pompe ny an’ny iray. Tsy sahy nihetsika ny olona teo anoloan’ny vavabasy. “Na ny mpitandro filaminana aza, mety hatahotra manoloana ny basin’ny jiolahy. Efa 30 mn taty aorina vao tonga teny ny polisy, kanefa tsy lavitra eo ny misy paositry ny polisy”, hoy ny olona eny an-toerana. Efa nadio ny rano nitan’ireo jiolahy.

Misy ny tsikombakomba

Amin’ny toe-javatra tahaka itony, matetika misy firaisana tsikombakomba ao. Ahoana ny ahafantaran’ny jiolahy fa misy vola entina amin’ny moto eny afovoan’arabe. Mazava be ny kopaka iarahana amin’ny jiolahy. Etsy andaniny ihany koa ny basy ampiasain’ny jiolahy. Avy aiza no hahitany basy PA sy Fusil à pompe ary ny fahaizany mampiasa izany?

Mety ny mpitandro filaminana ihany ny jiolahy. Manaporofo izany ny horonantsary miparitaka momba ilay fakana an-keriny karana vavy teny Ankorondrano. Hita miharihary ao ny fitazonan’ny jiolahy efatra basy Kalachnikov iray avy. Ny fihetsika sy ny fahafehezana ny fotoana sy ny manodidina, tena fihetsika mpitandro filaminana vita fiofanana. Raha tsy hoe hisy hilaza indray fa miofana tahaka ny mpitandro filaminana ny jiolahy. Raha izay, iza ny mampiofana? Sa mijery sarimihetsika fotsiny dia mahay?

Yves S.

Les commentaires sont fermées.