Flash
Préc Suiv

Manomboka ny 1 aogositra: hisondrotra 500 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be sasany

Manomboka ny 1 aogositra: hisondrotra 500 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be sasany

Tsy azo ihodivirana  intsony ?  Hiakatra 500 Ar ny saran-dalana eto an-dRenivohitra, manomboka amin’ny 1 aogositra ho avy izao. Voalaza fa niainga amin’ny fanapahan-kevitr’ireo mpitatitra mivondrona eo anivon’ny FMA izany, ahitana kaopezrativa maromaro.  Anisan’ny hampiakatra ny saran-dalany ny kaoperativa Mirindra 163 sy ny 194. Ny Miary 165,  ny Sitraka 109, ny Kofitama 143,  ny  Mitambatra 166 ary ny Onja 192. Efa nametaka ny afisy maneho izany fanondrotana izany any anaty fiara fitaterana any ny ankamaroan’ireo taxi-be ireo, nanomboka  omaly.

Efa fotoany ve izao ?

Na inona na inona aloha fanazavana, efa fotoan’izany ve izany izao? Tsy mbola tafiditra ao anatin’izany ireo kaoperativa sasany eo anivon’ny UTCU, ho an’ny eto an-dRenivohitra ihany koa. Efa nakana ny hevitr’izy ireo na nifampierana tamin’io vondrona iray io izao dingana  nirosoan’ny FMA  hanondrotra saran-dalana izao ? Nahazo sa tsia ilay vola fanampian’ny fanjakana ve izy ireo?

Ankoatra izany, mahafeno ny fepetra rehetra ny fanondrotana hatao ? Ny fanajana ny bokin’andraikitra, ohatra?  Ny fanajana farafahakeliny ny mpandeha eny an-dalana sy eny amin’ny toeram-piantsonana. Ny fihodinana an-dalana…

Fepetra horaisin’ny fanjakana

Etsy andaniny, inona ny fepetra horaisin’ny fanjakana ao anatin’izany rehetra  izany na ekena aza fa ao anatin’ny fanalalahana isika amin’izao fotoana izao.

Ny azo antoka, mety hanao randran-tarihina ho any amin’ireo kaoperativa sasany izany  fanondrotana saran-dalana izany. Ahina mety ho tonga amin’ny fipoahana sosialy ny  raharaha rehefa tsy misy ny fifanatonana sy fifampidinihana eo amin’ny sehatra rehetra.

Andrasana ny ho tohiny satria iankinan’ny fianam-bahoaka izao…

Randria

 

Les commentaires sont fermées.