Flash
Préc Suiv

Fisolokiana: havana minisitra voasambotry ny polisy

Fisolokiana: havana minisitra voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Toamasina tao Valpinson, ny alatsinainy teo, Ravonison Andrianasolo Albert Michaël, voarohirohy ho mpanao fisolokiana avolenta sy fisandohana andraikitra. Hita misoratra tao anaty kara-panondrony faharoa fa administratera sivily ny asany. Milaza izy fa afaka mampiditra olona hiasa sy hiditra ho administratera, raha ny filazan’ilay niharan’ny fisolokiana. Efa hatramin’ny fiandohan’ny volana jolay no niharan’nyfisolokiana ireto fianakaviana. Vola hatramin’ny 4 450 000 Ar ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny efa azony, araka ny fanazavan’ireo niharan’ny fisolokiana, raha ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany. Mbola nisy fifanarahana amin’ny handoavana ny ambim-bola aza ka nofandrihin’ny polisy tamin’izany ity jiolahy raindahiny ity. Tsy ireto olona ireto ihany fa efa voasolokiny koa ny tovovavy iray sakaizany ka nahazoany vola 1 200 000 Ar fa hoe hampidirana azy hiasa any amin’ny minisiteran’ny Akoranafo, tamin’ny taon-dasa iny. Fahatelo, vondrona tanora vitsivitsy nikasa hamoaka hira sy sarimihetsika koa no voasolokiny, saingy mbola tsy nametraka fitoriana ireto farany noho ity raharaha ity. Nandritra ny famotorana nataon’ny polis, fantatra fa zanak’anabavina minisitra teo aloha ity jiolahy ity. Nandositra avy any Maroantsetra izy kanjo noraisim-potsiny tao Toamasina. Mangataka ny hamerenana ny vola ireo olona voasolokiny.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.