Flash
Préc Suiv

Anjozorobe: andian-dahalo nanafika, olona iray maty

Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao amin’ny fokontany Ambolotarafotsy, kaominina ambanivohitra Androvakely, distrikan’Anjozorobe, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovao, andian-dahalo ampolony maro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny Kalachnikov sy basim-borona ary famaky, indray niditra an-keriny tao amin’io fokontany io. Nanao tifitra variraraka avy hatrany ireo dahalo nandritra ny fanafihana ka lavo tamin’izany ny raim-pianakaviana iray mpiambina tanàna ao an-toerana. Fantatra fa sady voatifitra no voakapa famaky ilay niharam-boina. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby anjatony. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny fanafihana ny zandary ka efa misokatra ny fanadihadiana.

Fa niharan’ny fanafihan-dahalo nitondra basy koa tao Andohamandry, fokontany Fiadanankely, kaominina ambanivohitra Mahitsy, faran’ny herinandro teo. Nanao tifi-danitra ireo dahalo mialoha ny fanafihana. Lasan’ireo malaso ny vola sy ny entana sarobidy rehetra tao an-trano. Ny borigadin’ny zandary ao Mahitsy no manao fanadihadiana.

J.C

Les commentaires sont fermées.