Flash
Préc Suiv

Ambohidratrimo: zazakely roa volana, nanjavona

Ambohidratrimo: zazakely roa volana, nanjavona

Very teny Ambohidratrimo Andrianirinatolotriniavo Natiora. Zazavavy vao roa volana. Manao akanjo ba mavokely misy anatiny fotsy sy satroka ba fotsy. Mitafy bodofotsy fotsy anatiny volontsokôla. Araka ny fanazavana, nikarakara taratasy teny amin’ny kaominina Ambohidratrimo izy mianaka, omaly. Nandalo teo amin’ny tranompokonolona Ambohidratrimo izy ary niangavy ramatoa iray hitazona ilay zaza fa handeha hivoaka amin’ny toeram-pivoahana. Nandray tokoa ilay ramatoa ary nitazona ilay zaza. Akory anefa ny hatairan’ilay rennin-jaza rehefa niverina fa tsy teo intsony ilay ramatoa sy ny zanany. Nanjavona ilay zaza sy ilay ramatoa, izay nanao pataloa fotsy, kiraro mainty, nifatotra volo. Nilaza fa niandry olona io ramatoa niangaviana nitazona ilay zaza io. Efa mipetraka ny fitarainana momba ity zaza very ity. Miangavy izay afaka manome vaovao mba hanatona ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra.

Mba samia mialo koa ny rehetra satria tsy kely lalana ny ratsy. Tena misy tokoa ny mpangala-jaza raha ity tranga ity…

Yves S.

Les commentaires sont fermées.