Flash
Préc Suiv

Kitra – «Mondial 2018»: 20 taona aty aorina, tompondaka eran-tany fanindroany ny Frantsay

Kitra – «Mondial 2018»: 20 taona aty aorina, tompondaka eran-tany fanindroany ny Frantsay

Norombahin’ny Les Bleus frantsay ny ho tompondaka eran-tany, baolina kitra «Mondial 2018». Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava, 4 no ho 2 ny Kroaty. Nahazo kintana faharoa indray, izy ireo, 20 taona aty aorian’ny nakany izany voalohany, tao Frantsa.

Voahosotra ho tompondaka eran-tany, ho an’ny taona 2018 taranja baolina kitra “Mondial”, ny Les Bleus avy any Frantsa. Nomontsaniny, tanteraka ny Vatreni, ekipam-pirenen’i Kroasia, teo amin’ny famaranana, niadiana ny ho tompondaka eran-tany. Resiny, tamin’ny isa mazava, 4 no ho 2 ny Kroaty. Fihaonana notanterahina, omaly alahady, tao amin’ny kianja Luzhniki stadium.

Niady ihany ny lalao, saingy nahay nampiasa ny tanjak’ireo mpilalaony ny Frantsay, notarihin’i Mbappé sy i Griezmann ary i Pogba. Izy telo mirahalahy, izay samy nahatafiditra baolina avokoa, tamin’ity fihaonana, ity. Samy niezaka naneho fanafihana tsara avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Tsy nisy nihafihafy mihitsy ny roa tonta fa samy naneho ny fahaizany avokoa.

Nanokatra ny isa, i Griezmann, tamin’ny alalan’ny “coup francs”, teo amin’ny minitra faha-18. Voadonan’ny lohan’i Mandzukic ny baolina , tsy voasakan’i Subasic, mpiandry tsatoby. Tsy ela anefa ny valin-kafatra fa nanasahala ny isa i Ivan Perisic, teo amin’ny minitra faha-28, taorian’ny daka mandrivorivo. Nihevitra ny rehetra fa hahatohitra ny kroaty. Nisy anefa ny fandraisan-tanana, nataon’ny vodilaharana kroaty, teo amin’ny minitra faha-38. Nohamarinina, tamin’ny “arbitrage video”, izany ka nahazo “penalty”, ny Frantsay. Tafiditr’i Griezmann, izany. Nitarika, 2 no ho 0 ny frantsay, teo am-pialan-tsasatra.

I Pogba sy i Mbappé, mahery fo

Nanao fampisehoana tamin’ny famonoam-baolina, ny Frantsay teo amin’ny fizaram-potoana faharoa. Samy naneho izany, i Pogba, teo amin’ny minitra faha-59 sy ny an’i Mbappé, minitra faha- 65. Nisongadina, teo amin’ny tanjaka sy ny fahaiza-manao manokana, izy mirahalahy ireo. Nanahirana, ny Kroaty mantsy ny nanakana azy ireo.

Nanomboka kivy ny kroaty, taorian’ireo baolina matin-dry zalahy, ireo. Na izany aza, nampihena ny isa ihany ny kroaty, teo amin’ny minitra faha-69, tamin’ny alalan’i Mario Mandzukic, rehefa namotsotra baolina i Lloris, mpiandry tsatoby.

Namoha vetivety ny fanantenan’ny Kroaty izany, ary niezaka nanindry ry zalahy avy eo, saingy efa tsara hidry trano ny Frantsay. Na nanana tombony aza ny frantsay, tsy nionona tamin’izany ny frantsay fa niezaka nanafika hatrany,  saingy tsy nisy intsony ny baolina tafiditra. Voahosotra ho mpilalao mendrika, i Modric, kapitenin’i Kroasia ary i Mbappé, no mpilalao tanora nahafaty baolina be indrindra, izay vao 19 taona monja, taorian’ilay Brezilianina, Pelé. Baolina 4 no matiny, tamin’ity “Mondial 2018”, ity.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.