Flash
Préc Suiv

Vonoan’olona: namoahan’ny polisy didy fikarohana Radimby Joelson

Vonoan’olona: namoahan’ny polisy didy fikarohana Radimby Joelson

Iangaviana izay mahafantatra na mahalala vaovao momba ity olona voatonona etsy ambany ity mba hampandre haingana ny polisy, na ny manam-pahefana akaiky azy indrindra, na koa hiantso avy hatrany ny laharana telefaonina finday 034 05 529 89. Araka ny fanazavan’ny polisy voarohirohy amina raharaha vonoan’olona ity lehilahy namoahan’ny polisy didy fikarohana ity. Toy izao ny mombamomba azy : Radimby Joelson José na Joël ny ahafahantaran’ny olona azy. Teraka tamin’ny 27 febroary 1983 tany Andapa. Zanak’i Radimby Paul (efa maty) sy Razafindrazandry Rosine (efa maty). Asa ataony : Informaticien, adiresy farany nahitana azy tao Ankevaheva Andapa.

Nanamafy hatrany ny polisy fa enjehin’ny lalàna ny firaisana tsikombakomba na ny fampiantranoana ireny jiolahy efa namoahan’ny polisy didy fikarohana ireny ka manaitra ny olona izay manam-baovao mba hampandre ny polisy avy hatrany fa tsy hampiantrano azy ireny.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique