Flash
Préc Suiv

Unicef: tapitra ny asan’i Elke Wisch eto Madagasikara

Unicef: tapitra ny asan’i Elke Wisch eto Madagasikara

Nanomboka ny taona 2014 ny niasan’ny solontena maharitry ny Unicef, i Elke Wisch, teto Madagasikara. Tapitra izany fe-potoam-piasany teto izany ka nanao veloma ny fitondram-panjakana izy, ny talata teo.

Taminy, fahombiazana teo amin’ny asa tamin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny reny ary ny zaza no tena tsapany nandritra izay efa-taona nipetrahany teto izay. Nilaza izy fa nahafa-po azy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin’ireo hery rehetra eto ary betsaka ny vokatra azo tao anatin’ny efa-taona.

Nisongadina ny fanatsarana ny fahasalaman’ny zaza, indrindra ireo tany amin’ny faritra lavitry ny tobim-pahasalamana. Teo koa ny fanentanana tamin’ny fanaovam-baksiny izay natao manerana ny Nosy ary nisesy nisorohana ny areti-mifindra maro izay mety hampitondra takaitra na hitarika amin’ny fahafatesana mihitsy aza. Ankoatra ireo ny fizarana rano madio fisotro tamin’ny toerana maro sy any atsimon’ny Nosy izay faritra mijaly rano sy iharan’ny haintany isan-taona.

Mandray anjara betsaka amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa ny Unicef amin’ny fanomezana fiofanana sy fizarana fitaovana ho an’ireo mpamboly any ambanivohitra hampahomby ny asa fivelomany.

Tsy hadino ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy amin’ny sehatra maro sy amin’ny endriny maro ka nandrafetana paikady maro sy niarahana niasa amin’ireo hery velona mahefa amin’ireo faritra niasana.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique