Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»: hiditra amin’ny dingana fahatelo

Tsipy kanetibe – «Masters 2018»: hiditra amin’ny dingana fahatelo

Mitohy, amin’ity alakamisy ity, ny dingana fahatelo eo amin’ny fiadiana ny «Masters», taranja tsipy kanetibe. Any Romans-sur-Isère indray no hifamotoana ireo ekipa valo hiady izany. Anisan’ireo mifaninana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Andrasana izay hifandona amin’izy telo mirahalahy: i Lahatra sy i Coquelet ary i Tiana (Tonnerre), eo amin’ny dingana ampahefa-dalana.

Mitana ny laharana fahatelo ny Malagasy, taorian’ireo dingana roa voalohany tontosa. Manana isa 7 ry zalahy, hatreto. Mitarika ny ekipan’i Sarrio, manana isa 17, arahin’ny Frantsay, amin’ny isa 15. Manana isa 7 mitovy amin’i Madagasikara, eo amin’ny laharana fahefatra, ry Robineau sy i Loy “wild card”. Fahenina ny Internationale, nahazo isa 5, ary fahafito ry Montoro, isa 2.

Raha tsiahivina ny lanana nodiavin’ny ekipa malagasy, tamin’ity, nitana ny rambony, tamin’ny dingana voalohany, natao tao Chateaurenard ary tsy nahazo isa. Ny antony, tsy nisy afa-tsy i Coquelet sy i Lahatra irery ny hany niatrika ny lalao. Feno kosa ny ekipa, teo amin’ny dingana faharoa, natao tany Le Puy-en-Velay, ary tonga teo amin’ny famaranana, saingy resin’ny ekipan’i Sarrio, tamin’ny isa tery, 13 no ho 12. Andrasana indray izany ny vokatra amin’ity dingana fahatelo ity izay inoan’ny rehetra fa mety ho tsara.

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique