Flash
Préc Suiv

Tantara an-tsary (BD): malaza any Kamerona i Idah R.

Tantara an-tsary (BD): malaza any Kamerona i Idah R.

Na eo aza ny laza ratsy ananan’i Madagasikara, any ivelany any, amin’ny sehatra hafa, tsy mitsanga-menatra isika raha ny tontolon’ny zavakanto no resahina. Anisan’ireo Razafindrakoto Idah, mpanao tantara an-tsary, monina any Yaoundé, Kamerona, nanomboka ny taona 2016.

Araka ny nambaran’ny fampahalalam-baovao any an-toerana, nahasarika olona maro ny tabilaony, nandritra ny hetsika antsoina hoe « Mboa BD festival », tsy ela akory izay. Tsotra sy mora azo ny sary ataon’i Idah, araka ny tatitr’izy ireo. Nasongadiny tamin’ity « festival » ity moa ireo sary ao anatin’ny boky tantara an-tsary, mitondra ny lohateny hoe « J’ai déménagé au Cameroun ».

Nahafa-po ny mpankafy tantara an-tsary ao amin’ity firenena ity mihitsy ny sanganasan’i Idah ao anatin’ity bokiny ity satria mitantara ny andavanandrom-piainan’izy ireo. Mbola kely ity tovovavy malagasy ity no efa nankafy sary.

Tsy nianatra tamina sekoly mahakasika izany manokana izy fa nampiana-tena. Nanatsara ny fahaizany koa ny fifaneraserany amin’ny mpanakanto hafa. Ankoatra ny BD, mankafy sady miangaly ireo karazan-javakanto hafa, toy ny dihy ankehitriny sy ny teatra, ihany koa i Idah.

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique