Flash
Préc Suiv

Sefafi: “Tsy ampiharina ny politikan’ny angovo”

Sefafi: “Tsy ampiharina ny politikan’ny angovo”

Maro ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy hitan’ny fikambanana Sefafi mikasika ny fampiharana ny politikam-panjakana amin’ny lafiny angovo. Mila matotra koa ny paikady ho an’ny Jirama, mba tsy ho lasa tombontsoan’ny olom-bitsy na ho fiankinan-doha lava amin’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena.

Naneho hevitra ny fikambanana fiarahamonina sivily Sehatra ho fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi) mikasika ny politika vaovao ny angovo eto Madagasikara. Nankasitrahany ny lalàna vaovao, lah.2017-020, nanova ny lah.98-032, ary hita fa misy maha samy hafa azy. Anisan’izany ny tanjona ahazoan’ny 70%-n’ny tokantrano malagasy herinaratra amin’ny taona 2030. Lazaina ao anatin’io lalàna io koa fa hampiasaina ny famokarana angovo mifangaro ka avy amin’ny tohodrano ny 85% satria ananantsika betsaka (7.800 Mw) nefa ny 2% monja ny voatrandraka.

Nomarihin’ny Sefafi kosa anefa fa tsy araka ny tena voizina ao anatin’io lalàna vaovao io ny ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. “Voalaza ao anatin’ny Politikam-pirenena mikasika ny angovo (NPE) ny hampiasana ny angovo azo havaozina, nefa foibe mandeha amin’ny solika zavontany ny atsangana ho an’ny 20 taona ho avy. Misy foibe mandeha amin’ny masoandro koa novonjivonjena hoatra ny tsinain-kena, tsy nasiana tolo-bidy, mba hanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny filoha hitokana “zava-bita” , indrindra amin’izao fotoam-pifidianana izao”, hoy ihany ny Sefafi.

Ialana ny fahazaran-dratsy

Ankoatra ireo, tsikaritr’ity fikambanana ity fa tsy mazava ny toromariky ny lalàna sy ny fitondrana amin’ny fanentanana amin’ny hetra sy ny ladoany momba ny fampirisihana ny mpandraharaha hamokatra angovo azo havaozina.

Mikasika ny Jirama, tsy hitan’ny Sefafi ny paikady ataon’ny fitondrana tena hanarenana azy. Soson-keviny ny fialana amin’ny fahazaran-dratsy, ny kiantranoantrano amin’ny fitantanana, sns. Mila afindra amin’ny orinasa tsy miankina ny fitantanana ny foibe mpamokatra herinaratra mamono antoka ahafahana mikolokolo ny foibe vaventy. Tokony hohajaina koa ny fanitsiana ny saran’ny herinaratra mba tsy hampisy fisondrotana ambony be tampoka, izay maha romotra ny mpanjifa, na ny fampidinana ny sarany, mety hahafaly ny olona nefa hanimba ny toebolan’ny orinasa any aoriana. Satria lasa mividy lafo hatrany ny angovo amin’ny tsy miankina ny Jirama, izay mamono antoka azy sy miankin-doha lava amin’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, toy ny Fampindramam-bola malalaka nohamoraina (Fec), andaniny, ary manome tombontsoa ho an’ny orinasa tsy miankina mamokatra herinaratra mivarotra lafo amin’ny Jirama koa, etsy ankilany.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.