Flash
Préc Suiv

Rugby – « Silver cup 2018 »: resin’ny Makis de Madagascar i Botsoana

Rugby – « Silver cup 2018 »: resin’ny Makis de Madagascar i Botsoana

Tsara fanombohana ny Makis de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny “Silver cup”, amin’ny taranja rugby. Resin’ny ekipam-pirenena malagasy, Makis de Madagascar tamin’ny isa mazava, 62 no ho 18, omaly, ny ekipan’i Botsoana, ho an’ny faritra atsimo. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny kianja Mufulira, Zambia.

Tsy niady mihitsy ny lalao satria nanantombo teo amin’ny lafiny rehetra ny Makis de Madagascar. Hatrany am-boalohany, nanjakan-dry Hery sy ry Mbola ary ry Mika, nampian’ireo mpilalao mpila ravinahitra, ny fihaonana. Tsy naharaka ny tosika tao anaty «avant» sy ny tolotolotra haingam-pandeha, mihitsy ireo Botsoaney. Nisesy, araka izany, ny baolina nentin-tanana. Teo am-pialan-tsasatra, efa nitarika tamin’ny isa, 33 no ho 11, ny Malagasy.

Hangotraka izany, ny fihaonana eo amin’i Zambia sy ny Makis, ny zoma 13 jolay ho avy izao. Hiatrika ny famaranana amin’izay ho voalohany any amin’ny faritra avaratra, misy an’i Côte d’Ivoire sy i Senegal ary i Alzeria, izay tafavoaka amin’ny roa tonta ka hiady ny tapakila hiakarana ao amin’ny sokajy “Gold cup”.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.