Flash
Préc Suiv

Resaka hala-jaza tany Ambohimasina Betafo: niteraka korontana, fiara 4×4 roa nodoran’ny olona

Resaka hala-jaza tany Ambohimasina Betafo: niteraka korontana, fiara 4×4 roa nodoran’ny olona

Nisehoana savorovoro tany Ambohimasina, teo amin’ny tanàna antsoina hoe Manohisoa Betafo, omaly noho ny fielezan’ny feo momba ny halaza-jaza any an-toerana. Fiara 4×4 roa no fantatra fa nopotehina sy nodoran’ny olona, omaly, raha ny vaovao avy any an-toerana. Ireo fiara ireo izay an’ny fikambanan’olona, monina any Antsahondra, kilaometra maromaroa miala any Ambohimasina Betafo. Raha ny vaovao avy any an-toerana, nisy ankizy mpaka vilona tsy hita tany Ambohimasina, andro maromaro ka voalaza fa tafatsoaka izy io ary nitantara fa ireo olona any Antsahondra no nitazona azy ary mbola misy dimy hafa voatazona any.

 Tezitra ny fokonolona vokatr’izany ka nandalo tao an-tanana ny fiara roa nentin’ireo vahiny ka nosakanan’ny olona. Norotahan’ny olona teo ireo ka voatery nalain’ny zandary hanaovana fanadihadiana. Votsotra anefa avy eo ka vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ny olona ka saika ny zandary indray no niangonan’ny rihitra teo. Tsy nanaiky ny olona fa nitaky ny hanaovana fisavana ny toerana misy ireo fikambanana.

Nandeha tany amin’ilay toerana voatondro ny fokonolona sy ny zandary ka nitifitra ireo miaramila mpiambina ilay tanàna raha vao nahatazana ny fiavian’ireo fokonolona. Vokatr’izay, nisy ny fifamaliana tifitra ka omaly hariva vao nilamina ny raharaha.

Tonga maro tany an-toerana ny mpitandro filaminana, nahitana ny zandary sy polisy miaraka amin’ny solotenam-panjakana vao nanaiky ny hosavaina ny tao amin’ilay toerana. Nosavain’izy ireo niaraka tamin’ny solontenan’ny fokonolona ny toerana iray, izay somary mitokana lavitra ny tanàna. Tao no voalaza fa misy ireo zaza dimy tazonin’ireo olona.

Tsy nisy na inona na inona

Voalaza anefa fa tsy nisy zaza voatazona tao fa kristianina mivavaka no hita tao.

“Misy miaramila miambina io toerana io noho izy mitokatokana ka nitifitra ireto farany ho fampitandremana. Tsy tafiditra tao amin’ilay toerana noho izany ireo olona hisavana. Rehefa tonga teny izahay niaraka tamin’ny solotenam-panjakana sy ny didy mampisava ilay toerana avy amin’ny fitsarana, tsy nahitana inona inona tao. Nahita izany ny solontenan’ireo fokonolona niaraka taminay nanamarina”, hoy ny filazan’ny mpitandro filaminana any an-toerana.

Marihina fa voatonontonona, omaly fa silamo ireo olona ao amin’ity fikambanana ity kanefa rehefa nanamarina ny mpitandro filaminana, ny mifanohitra amin’izay no hita tao an-toerana.

Andanin’izany, tsy resy lahatra ny mponina momba ireo olona monina ao amin’ity toerana ity. Miahiahy hatrany, satria nambaran’izy ireo fa tao anatin’ny taona vitsy, misy zaza tsy hita foana any an-toerana. “Sao misy ifandraisany tamin’ny nahatongavan’ity fikambanana ity tany izany toe-javatra izany?”, hoy ireo mponina. Milaza ny zandarimaria fa manohy hatrany ny famotorana momba ity tranga ity ka ahitana ny tena marina.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.