Flash
Préc Suiv

Ramamimampionona Gérard: « Ny ady tombontsoa manokana no olana eto »

Ramamimampionona Gérard:  « Ny ady tombontsoa manokana no olana eto »

« Ny tena olana eto amin’ny firenena, ny fitadiavana tomboantsoa manokana ivelan’ny tombontsoam-pirenena na ny tombontsoa ankapobeny. » Io ny fanehoan-kevitra ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanam-pirenena (CFM), faritanin’Antananarivo, Ramamimampionona Gérard.   Tsy tombontsoam-pirenena na ny tombontsoa ankapobeny na ny tombontsoan’ny olom-pirenena no mahazo lohalaharana fa ny tombontsoa hafa: na an’ny mpanao politika izay, na ho an’ny vondron’olona vitsivitsy, na an’olon-tokana. Izany no lasa mandeha mialoha ka sarotra ny tena hanao raharaham-pirenena. Tena vitsy na tsy misy ny olom-panjakana fa olom-pahefana no betsaka, araka ny fanazavany. Tena manahirana izay.

Vao manomboka, ohatra, ny fizarana seza amin’ny  governemanta, na amin’ny sehatra hafa: efa miady avy hatrany ny antoko politika. Ny dikan’izany, misy zava-kendreny manokana ao anatin’ny minisitera, ohatra, na sehatra hafa. Any dia efa very ny tombontsoam-pirenena. Te hahazo tombontsoa ho an’ny antoko na vondrona misy azy ny tsirairay. Sarotra be izany. « Rahoviana isika no hiara-kifantoka hoe tsy hisy kajikajy aloha fa hoe: ahoana ny hamoahana ny firenena amin’izao? Fa tsy hoe ahoana ny fiavianay, ny fivavahanay, ny antokonay… ? », hoy izy.   Manjaka ny herin’ny vola sy ny fahefana

Ny nahatonga an’izay? Ny herin’ny vola sy ny fahefana, ny fitiavam-bola sy ny fahefana. Tsy olana io fa samy manana ny tombontsoan’ny rehetra. Tokony ho ao anatin’ny tombontsoam-pirenena no ahazoana mijery ny tombontsoan’ny tena manokana rehefa avy eo. Fa tsy ny tombontsoan’ny tena no mandeha aloha; avy eo, tsy hita intsony ny tombontsoa ankapoben’ny firenena sy ny olom-pirenena iray manontolo.

Ny vahaolana amin’izany? « Sarotra io. Raha izay no tenenina, ny fo amam-panahin’ny tsirairay izany. Eo ny fandraisana andraikitra, ny fahatongavan-tsaina. Ny any amin’ny sehatry  ny fiangonana, ohatra, ny manao izay hahatonga saina ny olona », hoy ihany izy. Zanaky ny fiangonana, ohatra, ireo olona ireo: mila mandray andraikitra.

Inona ny rafitra apetraka hahazoana mifampifehy? Izay koa ny tena olana: misy ny hoe rafitra, izay manahirana rehefa ratsy. Vao mainka zava-doza eto amin’ny firenena raha ratsy ny olona mipetraka ao anaty rafitra, indrindra raha samy ratsy ny olona sy ny rafitra.

Misy milaza hoe ny fanabeazana ny ankizy aty aoriana no tokony hiaingana. Nefa tsy mifarana ny fanabeazana raha tsy maty ny olona. Misy fanabeazana azo atao amin’ny fandraisana andraikitra, ohatra, ny sehatra sy ny dingana misy ny tsirairay.

R.Nd

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique