Flash
Préc Suiv

Lamesa voalohan’ny kardinaly Tsarahazana: “Aoka isika tsy hilamin-tsaina amin’ny fahorian’ny hafa…”

Lamesa voalohan’ny kardinaly Tsarahazana: “Aoka isika tsy hilamin-tsaina amin’ny fahorian’ny hafa…”

Tsotra sy hentitra ary mazava ny hafatry ny kardinaly Tsarahazana Desiré tamin’ny fitarihany ny lamesa voalohany tetsy amin’ny Ekar Antanimena, omaly. Tsy tokony handriandry manana aretina manoloana izao tranga eto amin’ny  firenena izao, araka ny  nambarany.

Hafatra voalohany amin’ny maha kardinaly azy ny nataon’ny Mgr Tsarahazana Desiré nanoloana ireo mpino kristianina sy mpitondra fanjakana ary koa ny mpanao politika. “Aoka isika tsy hilamin-tsaina manoloana ny fahorian’ny hafa… Efa nanentana antsika ny amin’izany ny papa François ny amin’ny tokony hijerena ireo mijaly sy ny ory. Anisan’ny hiadiana amin’izany anefa ny tsara.  Aoka koa anefa tsy hatao anaty fihatsarambelatsihy izany”, hoy izy.  Nentaniny ny rehetra mba hivonona hanao hatrany ny tsara ary niantsoany ny kristianina  rehetra mba ho mendrika ihany koa . “Mifanajà, mandefera ary mahereza”, hoy  ihany izy.

Anisan’ny nanotrona izao Sorona masina izao ny mpitondra  fanjakana notarihin’ny filoha Rajaonarimampianina. Teo koa  ny filoha teo aloha, Ravalomanana mivady. Nialoha izany,  noraisin’ny solontenan’i Vatikana eto amintsika,  ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, teny  Ivandry, ny kardinaly Tsarahazana Desiré, ny maraina. Fandraisana natao amin’ny anaran’ny papa François  izany. Mbola nohamafisin’ny arsevekan’i Toamasina sady kardinaly ny fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany ny vahoaka malagasy. Nampahatsiahy ny fifandraisan’i Vatikana sy i Madagasikara, feno 50 taona, kosa ny Nonce apostolique, ny  Mgr Paolo Rocco Gualtieri.  Anisan’izany izao nametrahana ho kardinaly ny Mgr Tsarahazana Desiré izao.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique