Flash
Préc Suiv

Kitra Toamasina: tsy mendrika ny kianja

Notanterahina, ny asabotsy 7 sy ny alahady 8 jolay lasa teo, tao amin’ny kianja fanaovam-baolin’ny kaominina na koa an’ny ligin’Atsinanana, ny fankalazana ny fahenin-taona niorenan’ny Talenta Akademia, sekolin’ny kitra Toamasina. Fihaonana ho an’ireo ankizy, eny anivon’ny sekoly, no natao ka nandraisan’ireo ekipa miisa 26 anjara. Sokajin-taona U9, U11, U13, U15, U17 ireo nifaninana. « Baolina kitra ho lasa fanabeazana feno ho an’ny zatovo lahy sy vavy » ny teny fanevan’ ity sekolin’ny baolina kitra nankalaza ny fahenin-taony ity, araka ny fanazavan’ny filohany, Rtoa Tsiadio Estelle. Amin’ny maha vehivavy mpitantana kitra azy izay, izy irery ihany koa ny hany manana ankizivavy mpianatra kitra ho an’ny eto Toamasina ary efa hita ho sehatra iray miroborobo izany.

Samy nanakiana ny faharatsian’ny kianja avokoa ireo ray aman-dreny tonga nanotrona ny zanany fa tsy mendrika ho an’ ireo ankizy, heverina fa hitondra avo ny baolina, ny fotodrafitrasa an’ny kaominina. Na teo aza izany, tontosa avokoa ireo lalao ka toy izao ny vokatra. Lasan’ny mpianatra avy ao Salazamay ny teo amin’ny vehivavy raha ny Ajaset kosa ny teo amin’ny U13 ary ny Talenta Akademia ny U15. Ny Enfant de Joie ny teo amin’ny U17.

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique