Flash
Préc Suiv

Kitra – «Mondial 2018»: nahazo 150.000 Euros tsirairay ny mpilalao frantsay

Kitra – «Mondial 2018»: nahazo 150.000 Euros tsirairay ny mpilalao frantsay

Ekipa voalohany, nahazo ny tapakila hiakarana amin’ny lalao famaranana, hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra “Mondial 2018”, ny Les Bleus Frantsay. Noho ny dingana vitany, nomena vola be, izy ireo.

Tafita hiatrika ny famaranana, amin’ny “Mondial 2018”, taranja baolina kitra, tanterahina any Rosia, ny Les Bleus-n’i Frantsa. Resiny, teo amin’ny manasa-dalana, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Demony menan’i Belzika, ny talata lasa teo. Baolina tafiditr’i Umtiti, teo amin’ny minitra faha-51.

Noho ity vokatra azon’ny Frantsay ity, nomen’ny federasiona 150.000 Euros, tsirairay avy ireo mpilalao. 585 tapitrisa Ar, raha avadika vola gasy. Fanamby efa napetrak’i Noel le Graët, filohan’ny federasiona frantsay taranja baolina kitra (FFF) io, nialoha ity “Mondial 2018”, ity. Tsy mijanona eo fa raha mbola mandrombaka ny ho tompondaka ny Frantsay, amin’ny alahady ho avy izao, hitombo 280.000 Euros, indray io tamby, homena ny mpilalao io.

Raha hiverenana, ny fihaonan’ny roa tonta, nandritra ny ankatoky ny famaranana, dia toa nanao ny tsy ambinina ihany ny Belza. Nanindry ary tena nanatombo teo amin’ny fanafihana mantsy ry zalahy, saingy tsy tao amin-dry Lukaku sy ry Eden Hazard, mihitsy ny vintana hamonoana baolina.

Tsara fiarovantena ihany koa ny frantsay satria tsy tafiditra tao anaty faritra tsy azo ivalozana mihitsy ireo lohalaharana belza. Niainga tamin’ny valim-panafihana, haingam-pandeha, notarihin’i Mbappé sy i Griezmann kosa ny an’ny Frantsay. Betsaka ihany koa ny baolina tokony ho matin’izy ireo, saingy tsy tao amin’ny androny, i Giroud, izay voatery noesorin’i Deschamps, mpanazatra mihitsy.

Na izany na tsy izany, anisan’ny nanavotra an’i Frantsa ihany koa i Hugo Lloris, mpiandry tsatoby, izay nanakana daka efatra, efa saika tafiditra. Hiatrika ny lalao famaranana fanintelony indray izany ny Frantsay, amin’ity ary hiady ny hahazoana kintana faharoa, ho an’ny “Mondial”.

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique