Flash
Préc Suiv

Itasy: lehilahy maty teo am-panaovana firaisana

Andro miditra! Maty tsy tra-drano teo am-panaovana firaisana niaraka tamin’ny sakaizany ny raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo tao Antanetibe Varahina, Soavinandriana Itasy, omaly antoandro. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, raim-pianakaviana manambady aman-janaka ity namoy ny ainy ity. Tsy nionona tamim-badiny fa mbola lasa namonjy ny sakaizany ihany ilay raim-pianakaviana. Nanao firaisana ara-nofo avy hatrany anefa izy raha vantany vao tonga tany amin’ity sakaizany. Tsy fantatra mazava anefa izay zava-nitranga nandritra ilay fotoana nanaovan’izy ireo firaisana ara-nofo satria nitambotsotra tampoka ilay raim-pianakaviana. Taitra tampoka ilay sakaizany raha nahita ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ka lasa nitsoaka. Ny olona teo an-tanàna no nahatsikaritra fa hafahafa ny fihetsik’ilay vehivavy nitsoaka nivoaka avy ao an-trano. Niantso zandary avy hatrany ny mponina mba hijery ny zava-misy tao amin’ilay trano satria nampiahiahy be ihany ny fihetsik’ilay vehivavy. Ny fatin’ilay raim-pianakaviana niboridana sy nivalampatra teo am-pandriana no hitan’ny zandary sy ny fokonolona. Tsy nahitana ratra na dian-kapoka ny vatany nandritra ny fizahan’ny dokotera.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique