Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo, resaky ny mpitsimpona akotry: fanadiovana antoky ny fampandriana ny filaminana

Na nifanarahana aza dia lakalaka ihany ny fanaovana fifidianana raha mbola tsy mahafa-po toy izao ny fipetraky ny fandriampahalemana. Hiandry ny tsy misy anefa raha ny famerenana fandriampahalemana no antenaina. Tsy vita indray andro izany nefa tofoka ny mponina ka rariny raha mitaky fanovana izay tsy hisy raha toa tsy ny vahoaka no manendry ny olona omeny fahatokisana hitarika izany fanovana izany. Andraikitra lehibe noho izany no iantsorohan’ny governemanta tarihin’i Christian Ntsay. Fanamby ihany koa no sedrainy. Fantatra fa fahalalahana ao anatin’ny fahatoniana no ilain’ny mponina ahafahany manatanteraka ny adidy amin’ny maha olom-pirenena azy mikasika ny fanaovana safidy madio rehefa misy ny fifidianana. Eo no mahasarotra ny fanamby mipetraka amin’ ny governemanta : fiantohana filaminana raha tsy mipetraka tsara ny fandriampahalemana.

Ilaina amin’izany ny fampisehoana amin’ny vahoaka fa sady vonona no manana ny tanjany ny mpitandro filaminana. Kely foana anefa izay dia mirona any amin’ny fieboeboana sy fanjakazakana ary mety hivadika ho fampihorohoroana, ka ireo noheverina mpiahy indray no lasa atahorana. Marina fa ao anivon’ny fiarahamonina no mitoetra ireo mpanao ratsy fa anjaran’ny tompon’andraikitra no manana saina matsilo ahafahany manilika ny ratsy avy amin’ny tsara. Rehefa samy hifampiahiahy, ny vahoaka koa manana an’izay toetrany amin’ny fahitana volana alohan’ny biby izay, ka miseho daholo izao endrikendrika rehetra izao toy ny fiampangana fa misy amin’ireo tompon’ andraikitra no miray tendro amin’ny mpanakorontana. Hitsikitsika moa tsy mandindihy foana fa ao raha ! Aoka re tsy hisy ny dihina hitsikitsika toy izany. Ny olona anie tsy mbola tena resy lahatra mikasika ny fahadiovana tanteraka ao amin’ny laharan’ny fitandroana filaminana na ao amin’ny zandarmaria izany na ao amin’ny pôlisy ary miala avy any amin’ny ambaratonga ambony ka hatrany amin’ny zazavao. Iza moa no afaka hiady hevitra ka hiziriziry amin’ny fandavana an’izany finoanoampoanan’ny vahoaka izany ?

Ny hany fomba andresena an’izany dia ny fanaovana fanadiovana ny ao an-tokantrano. Manampy trotraka an’ izany moa dia efa mandeha ny feo fa manana vondrona tohanana ny tafika, zandarmaria sy pôlisy. Ny fandrebirebena saim-bahoka toy izany moa dia ataon’ny mpanao pôlitika fitaovana entiny miady. Loza anefa izany. Raha sanatria ka izany tokoa no izy dia fitaka be ho an’ny vahoaka, manongotra sy mikiky ny vontoatin’ny rafitry ny demôkrasy.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.