Flash
Préc Suiv

GFFM sy Fam: omena lanja ny samy kristianina

GFFM sy Fam: omena lanja ny samy kristianina

Miezaka ny hanome lanja ny firaisankinan’ny samy  kristiana ny fiangonana Apokalypsy  (Fam) sy ny eo anivon’ny antoko GFFM miara-dia aminy. Namaly ny fanasan’ny fiangonana katolika (Ekar) ka nanome voninahitra ny lanonana nandraisana ny fiverenana an-tanindrazana ny kardinaly Tsarahazana  Desiré  izy ireo, afakomaly. Nandefa delegasiona  mafonja. Nanamafy ny hisian’ny fifandraisana bebe kokoa eo amin’ny antokom-pinoana, tahaka izany, ny mpitondra tenin’ny GFFM, Ramamonjisoa Régis. Tsy eto an-toerana rahateo ny pasitera Mailhol, mpitarika azy ireo, fa namita iraka.

Tsiahivina fa tsy vao izao ny fifandraisana eo amin’ny Fam sy ny Ekar. Efa am-bolana maro ny fifaneraseran’ny mpitarika azy amin’ny mpitondra fivavahana katolika amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. « Misokatra amin’ny fiaraha-miasa marolafy izahay ho fampivoarana ny lafim-piainan’ny mpino sy ny mpanaraka ny foto-kevitra ijoroan’ny GFFM amin’ny ady amin’ny fahantrana eto amin’ny firenena », hoy ihany izy.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique