Flash
Préc Suiv

Fiainam-piangonana: nahazo moto miisa sivy ny KTLM Manakara

Fiainam-piangonana: nahazo moto miisa sivy ny KTLM Manakara

Nitohy tany amin’ny KTLM synodam-paritany Manakara ny hetsika fanohanana tanterahin’ny filohan’ny FKTLM, Andrianarivo Hary. Notolorany moto miisa sivy ny tonia am-perinasa any an-toerana. Nankasitraka izao fanohanana sy fanampiana izao  ny filohan’ny synodam-paritany Manakara, ny tonia ary ny birao miaraka amin’ny KTLM. Teo koa ny pastora sy ireo avy amin’ny antoko mpihira Andranofasika, any an-toerana. “Ilana vavaka avokoa izany ary ampitao amin’ireo mpanome ny fisaorana mitafotafo”, hoy izy ireo. Tsy afaka nanatitra mivantana izany tany Manakara ny mpitantana  ny FKTLM ka nandefa solontena sy nampitondra teny ireo mpiara-miasa aminy,  notarihin-dRakotomalala Dina.

Tsiahivina fa mbola ho avy  koa ny anjaran’ny faritra hafa amin’ny fampitaovana  tahaka izao. Efa fanaon’ny eo anivon’ny fitantanana ny FKTLM rahateo ny hetsika fanampiana ny KTLM.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique