Flash
Préc Suiv

Bekopay – Mahajanga: tratra ny tambajotrana mpanamboatra basy

Saron’ny zandary tao Bekopay, distrikan’i Mahajanga II, afakomaly, ny lehilahy iray mpanamboatra sy mpanao trafikana fitaovam-piadiana. Araka ny fanazavan’ny zandary, telo lahy ry zalahy no tompon’antoka amin’ity raharaha ity ary tratra ny iray raha  teo am-pitadiavana mpividy ireto fitaovam-piadiana ireto izy ireo.  Tratra tao an-tranony ny basy vita gasy miisa telo, nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Nohamafisin’ny zandary fa basy fampiasan’ireo dahalo rehefa manao fanafihana ny karazan’ireto fitaovam-piadiana tratra ireto. Niaiky ny heloka vitany izy, nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Lasa mahazo vahana amin’iny faritra Bekopay iny amin’izao ny trafikana fitaovam-piadiana. Sady mivarotra no manamboatra ireo mpanao trafikana ary misy manafatra mihitsy izy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ankoatra ilay basy, mbola nahitana odigasy marobe koa tao an-trano, nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Eo am-pikarohana ireo namany kosa ny zandary amin’izao fotoana izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.