Flash
Préc Suiv

Tsy fiandaniana amin’ny fifidianana: tsy mahafa-bela ny fanahiana ny HCC

Tsy fiandaniana amin’ny fifidianana: tsy mahafa-bela ny fanahiana ny HCC

Niezaka nanala  ny ahiahin’ny rehetra ny eo anivon’ny HCC amin’izao  hiatrehantsika ny fifidianana  izao.  Nambaran’ny filohany, Rakotoarisoa Jean-Eric fa tsy tokony hipetraka izany.

« Ahiahy no mipetraka amin’iny… Fa hanao ny asanay araka ny tokony ho izy izahay, raha fifidianana no resahina. Tsy lojika raha mangataka hoe hiaro ny tsy fiandanin’ny fanjakana io governemanta io izahay, nefa izahay indray ve no hanondrana? »

Izay ny valin-tenin’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Jean-Eric, teny Ambohidahy, afakomaly, manoloana ny fanahian’ny sasany azy amin’ny famoahana voka-pifidianana. Mety misy ny ahiahy amin’ny resa-politika, fa hanao ny asany araka ny lalàmpanorenana sy mba tena hahazoana izany fifidianana izany ry zareo.

Mahamanetra raha efa ho 60 taona mahaleo tena isika, nefa tsy mbola mahay manao fifidianana. Tsy ny HCC na ny Ceni na ny governemanta irery no hahavita ny fifidianana, fa eo ny mpisehatra politika, ny firaisamonina sivily… Samy manana andraikitra amin’izany avokoa ny rehetra.

« Raha tsy miara-kametraka hoe tena fifidianana no hatao eto amin’ny firenena isika, tsy ho vita io. Tsy hifampitifitra sy hifampiahiahy fotsiny no atao eto », hoy izy.

Efa hita ny nataon’ny HCC

Tsy efa hita ve ny nafitsoky ny HCC nandritra izao fitondrana izao? Izay no tsy mahafa-bela azy amin’ny ahiahy. Vitavita ho azy, ohatra, ny kolikoly maharikoriko nataon’ny fitondrana tamin’ny fifidianana loholona, 29 desambra 2015. Niaky ny fanitsakitsahana ny tsimbaratelon’ny latsa-bato ny HCC. Misy marika tsy fanao amin’ny biletà tokana, fa lasa fantatra izay nifidy, « Nisy toromarika izany tany ambadika tany », hoy izy tamin’izany.

Nampitampim-bava ny maro koa ny nampanaovin’ny HCC fifanarahana andraikitra eo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Antenimierampirenena, nony injay naaton’ity farany amin’ny asany iry voalohany. Fanapahan-kevitra politika sy fiandaniana: tsy lojika, fa efa voafaritra ao amin’ny lalàmpanorenana ny andraikitry ny roa tonta.

Farany teo, nanondrana ny HCC: ny fialan’ny filohan’ny Repobika no takin’ny hetsi-bahoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, governemanta no noravana. Tsy fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana koa ve, ohatra, ny hoe tsy mahazo mandrava ny Antenimierampirenena ny filohan’ny Repoblika. Tsy manao politika fiandaniana ve ny HCC amin’izany? Izay no tsy mahafa-bela amin’ny ahiahy…

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.