Flash
Préc Suiv

Tany misy ny CEG Analamahitsy: mifanohitra tanteraka ny nambaran’ny MEN sy ny CUA

Tany misy ny CEG Analamahitsy: mifanohitra tanteraka ny nambaran’ny MEN sy ny CUA

Iza marina no tena tompon’ny tany misy ny CEG Analamahitsy ? Fanambarana roa mifanohitra tanteraka no nambaran’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), omaly.Sahiran-tsaina noho izany ny mpanara-baovao ary very hevitra ny ray aman-dreny manoloana ny zava-misy.

Tany misy miady ny toerana iorenan’ny CEG Analamahitsy, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fanabeazana, omaly, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Rabeson Rolland, teny Anosy. Rehefa nanao fanadihadiana lalina koa ny minisiteran’ny Fanabeazana, nivoitra araka ny « certificat de situation juridique » vao nalaina omaly fa misoratra amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tany iorenan’ny CEG Analamahitsy. Noho io tranga voalaza fa misy miady ilay tany io no nahatonga ny tale jeneraly misahana ny fanabeazana fototra (DGEFA) nitondra ny olana teny anivon’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Nanolotra vahaolana ny tenany amin’ny fanorenana  sekoly vaovao manara-penitra tsy lavitry ny CEG amin’izao fotoana izao. Noho ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpianatra, nanaiky hanao sonia ny fifanarahana voarakitra ao anatin’ny vahaolana natolotry ny tale jeneraly misahana ny fampianarana fototra ny minisitra.

Nanamafy koa ny sekretera jeneralin’ny minisitera fa tsy nanaraka ny an-tanan-tohatra io fifanarahana io satria tsy nandalo tao amin’ny « secrétariat général » mba hankatoavina fa nentina avy hatrany nivantana teny amin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mametraka fanontaniana ny tomponandraikitry ny minisitera hoe iza tokoa ny hahita tombontsoa amin’ny famindrana ny CEG ho amin’ny toerana vaovao ?

Manoloana ny savorovoro nateraky ny fanapahan-kevitra hamindrana toerana ny CEG Analamahitsy, manambara ny minisitera fa hanafoana ny fifanarahana efa vita momba ny famindran-toerana ny CEG Analamahitsy.

Afindra amin’ny toerana nomen’ny kaominina ny sekoly

An’ ny olon-tsotra ny tany iorenan’ny CEG Analamahitsy amin’izao fotoana izao ka ilain’ny tompony izany toerana izany ankehitriny ary tsy maintsy miala teo ny fotodrafitrasa mitsangana eo amboniny. Nangataka toerana tamin’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazana, hamindrana ny CEG Analamahitsy, ka nanome tany ao ambadiky ny Coliseum ny kaominina. « Mpiray ombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana no hanangana efitrano fianarana 20 sy trano ho an’ny talen’ny sekoly, miaraka amin’ny toerana filalaovana baolina sy kianja ho an’ny mpianatra », hoy ny fanazavan’ ny talen’ny serasera ao amin’ny kaominina, Ramananarivo Dina, omaly teny Analamahitsy. Tsy nivarotra ny tany misy ny CEG ny kaominina satria tsy fananan’ny kaominina izany. Fitsinjovana ireo mpianatra no naneken’ny kaominina hanome ny tany hampiasan’ny minisitera.

Rehefa vita ny fotodrafitrasa vaovao izay tombanana ho tafatsangana mialoha ny fiandohan’ny taom-pianarana 2018-2019 vao hafindra ny mpianatra. Nanamafy ny sefo Zap eo amin’ny boribontany fahadimy, Raivosoa Johnson, fa tsy maintsy mianatra ny zaza malagasy.

Momba ny fanotorana tany miseho eto an-dRenivohitra, nilaza ny mpanolotsain’ny Tanàna eto Antananarivo, Razafitsimialona Andriatsiavoafetra, fa manao fanadihadiana momba ny fahazoan-dalana hanao izany ny kaominina, amin’izao fotoana izao. Tsy handefitra fa hanome sazy sahaza ny mpandika lalàna izy ireo.

Vonjy A.     

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique