Flash
Préc Suiv

Manjaka Ivandry: noleran-dramatoa ny antsy ny vadiny, maty tsy tra-drano

Manjaka Ivandry: noleran-dramatoa ny antsy ny vadiny, maty tsy tra-drano

Nifamaly matetika izy mivady, ary niafara tamin’ny fanindronan-dramatoa antsy an-dralehilahy izany. Tranga iray nampalahelo niseho teny Manjaka Ivandry ny alarobia heriny alina teo io. Voatrobaka teo amin’ny kibony izy io, ary nitarika ny fahafatesany izany, adiny roa taty aorina. Araka ny fanazavan’ny olona, tera-bao ilay ramatoa ary nandeha nivoaka nividy toaka hampifalifaliana ilay rangahy talohan’ny zava-niseho. Rehefa niverina anefa izy, tsatok’antsy no niandry azy. Henon’ny teo amin’ny manodidina ny tabataba ka nitangorona sy namonjy teny an-toerana ny olona. Efa ilay rangahy nihosin-dra no hitan’ny olona. Nentina teny amin’ny hopitaly izy, saingy tsy tana intsony ny ainy. Niantso polisy ny olona ka nosamborina ilay ramatoa. Ity farany izay mody adala tamin’ny voalohany ary nilaza fa tsy izy ny nanindrona antsy an-drangahy. Niaiky ihany anefa izy rehefa nofotorana. “Mbola zandrin-dramatoa ilay rangahy. 45 taona ramatoa raha 34 taona ilay lehilahy. Efa miady matetika izy ireo ary samy misotro toaka avokoa. “Henonany ny adin’izy ireo izao niafara tamin’ny tsindron’antsy izao”, hoy ny olona eny an-toerana. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.