Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy – «Division elite»: nivoaka sempotra vao nandresy ny Mifa

Kitra vehivavy – «Division elite»: nivoaka sempotra vao nandresy ny Mifa

Nanomboka, omaly teny amin’ny kianja Carion Manjakandriana ny andro voalohany amin’ny dingana faharoa, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra sokajy vehivavy. Tontosa avokoa ireo lalao efatra voalahatra, tamin’izany. Nivoaka sempotra ny Mifa Analamanga, vao nandresy ny Ascuf Matsiatra Ambony. Efa tany amin’ny fandakana ny «tirs au but», 4 no ho 3 mantsy vao tafavoaka izy ireo. Nisaraka ady sahala 2 no ho 2 ny roa tonta tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna.

Ankoatra izay, niondrika teo anatrehan’ny Askam Itasy, tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Sab-Nam. Mbola noporofoin’Itasy indray izany teto ny maha tompondakan’i Madagasikara azy ireo. Nomontsanin’ny Asot, tamin’ny isa mavesatra 6 no ho 0 kosa ny Som Boeny ary tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 nanilihan’ny As Comato ny Prescoi Vakinankaratra.

Hitohy, rahampitso alakamisy ny fihaonana ka Mifa hifanazava amin’ny AS Comato. Askam kosa hifampitana amin’ny Som ary ny Prescoi hanohitra ny Asot. Hifampitady kosa ny Ascuf sy ny Sab-Nam.

Farany, namoaka sazy ny komity mpanatanteraka teo anivon’ny federasiona fa tsy mahazo mipetraka eny amin’ny “surface technique” mandritra ny 3 volana, Ramorasata Haingo, mpanazatra ny Asot sy Razafimahatratra Berthe, mpanazatra ny Askam. Ankoatra izay, didiana ihany koa handoa honitra 200.000 Ar avy, ireo klioba roa ireo. Ny tsy naneken’izy ireo hihaona tamin’ny ekipan’ny Sab-Nam, nandritra ny dingana voalohany natao tany Vakinankaratra, ny anton’izao sazy izao.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.