Flash
Préc Suiv

Indraim-bava: ady tsy vita

Indraim-bava: ady tsy vita

Efa tany amin’ny taona 1991 no nitaky sata vaovao ny mpiasam-panjakana. Nandritra ny tolona “hanjerana ny mandan’ny Jeriko”, nandray anjara mavitrika izy ireo. Nampikatsoana ny raharaha rehetra rehefa nikiribiby “tsy hiala” ingahy Ratsiraka Didier. Enim-bolana ny fitokonana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, nandresy ny tolona. Toy ny mahazatra anefa, hadino ny toky nifanomezana rehefa azo ny seza. Ny hoenti-manana koa, tsy nisy rahateo satria noho ny fitadiavana vola hafahafa, tsy nahazo famatsiam-bola tany amin’ireo mpiara-miombon’antoka mahazatra. Tsy tanteraka ny fanavaozana ny sata mifehy ny mpiasa-panjakana fa niongana ihany ny fitondrana Hery velona. Efa nolazaina sy nokianina tamin’izany ny fampisondrotana isan-taona ho 8 na 10 % ny karama. Fanamboarana ankapobeny no nangatahina sy nantenaina. Io ilay fampitoviana lenta ny mari-karama (grille indiciaire). Satria tokoa na mitovy aza ny diplaoma, ny laharana eo amin’ny sokajy amin’ny maha mpiasam-panjakana, misy mpiasa mahazo tombontsoa manokana any amin’ny minisitera na sampandraharaha mampiasa azy ireo. Nisy ireo mpitolona tetsy amin’ny 13 mey tamin’ity taona ity no niakatra tetsy Antaninarenina teo amin’ny minisiteran’ny Vola sy ny fitantanam-bola, namaky bantsilana izany mizana tsindrin’ila izany. Ny fanitsiana ny tetibola izay nolanin’ny solombavambahoaka tsy nasiana fanitsiana toy ny mahazatra eny Tsimbazaza, tsy nahitana taratra velively ny famaliana ireo fitakiana ataon’ny vondrona sendikaly.

Etsy andaniny, tsy ampy hamaliana ny hetaheta niseholany, tato ho ato, ny tahan’ny hetra miditra na dradraina aza fa niakatra izany nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity. Raha ny marina, ireo fandaniana tafahoatra ataon’ny mpitondra no mahatonga ny mpiasam-panjakana hitaky ny anjarany. Tsy holazaina intsony ny vola atao fafy katrana rehefa ho avy ny fampielezan-kevitra atsy ho atsy. Efa hita taratra izany, ny 26 mey lasa teo, tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe nandritra ny hetsika famonoana afo nataon’ny HVM. Nalain’ny olona ny vola ary lasa nody nikarakara fetin’ny reny izy ireo fa tsy niandry izay kabary politika teo.

Andrianjaka Vonjy  

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique