Flash
Préc Suiv

Hampidirina ao anatin’ny drafitrasa eny ifotony ny ODD

Hampidirina ao anatin’ny drafitrasa eny ifotony ny ODD

Fampidirana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) amin’ny drafi-pampandrosoana eny ifotony na eny anivon’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Io ny antony sy tanjon’ny fanofanana ho an’ny ben’ny Tanàna aty amin’ny Ranomasimbe Indianina mandritra ny hateloana, eny Anosy, nanomboka omaly.

Mikarakara izany ny minisiteran’ny Atitany miaraka amin’ny OIF. Ampahafantarina ireo mpandray anjara ireo teboka 17 voafaritra ao amin’ny ODD. « Ny « Objectifs du Millénaire pour le développement » (OMD) no fototra niainga ny ODD », hoy ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Atitany, Rakotonirina Gervais.

Zavatra mety mandringa amin’ny OMD ny fahazoany mifaka eny ifotony sy ny momba ny tontolo iainana, izay tsy voafaritra loatra amin’izay, araka ny fanazavany. Asa sy fandinihana ary fizarana traikefa àry ny fanofanana mba hahazoana mampiditra ireo ODD amin’ny drafi-pampandrosoana eny anivon’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.

Eo am-pamolavolana ny didim-panjakana mikendry ny hahazoan’ny kaominina mifandray mivantana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny fikambanan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny minisitera, araka ny fanazavany.

Hivoaka tsy ho ela izany, ary hisokatra amin’ny alalan’izany ny fahazoan’ny kaominina manao fifanarahana amin’ireny mpiara-miombon’antoka amin’ny drafi-pampandrosoana tian’ny kaominina eny anivon’ny vondrombahoakam-paritra hatao.

R.Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique