Flash
Préc Suiv

« Fiderana sy tsodrano »: hiaka-tsehatra adiny 3 ry Joseph d’Af

« Fiderana sy tsodrano »: hiaka-tsehatra adiny 3 ry Joseph d’Af

Goavana ny seho arahin-tsodrano! Haharitra adiny 5 ny fitambaran’ny hetsika “Fiderana sy tsodrano” ka ny ampaham-potoana adiny telo ao anatin’izany no hitondran’ny tarika Joseph d’Af seho an-tsehatra lehibe. Hetsika hotanterahina eny amin’ny CBA Alasora ny 14 jolay izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. “Tsy mbola nisy tahaka ity andiany ity ny teo aloha, satria sambany no nanasa mpanakanto manana ny maha izy azy toy izao ny “Fiderana sy tsodrano” ”, hoy ny Bishop Lalaina Andriamisolo avy ao amin’ny Foyer Chrétien International. Nohamafisiny rahateo fa ankoatra ny fiderana, hisy tsodrano homeny amin’io fotoana io. 10.000 eo ho eo ny olona handrasana amin’ity andiany ity.

Nambaran’ny solontenan’ny tarika Joseph d’Af, omaly, tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina fa ho betsaka ireo hira vaovao sy sambany vao hiraina eny an-tsehatra amin’io fotoana io. Na izany aza, hitana ampaham-potoana lehibe kokoa ireo hira efa nahafantarana ity tarika ity hatramin’izay. Noho izany, hisokatra be ny fandaharan-kira amin’io « Fiderana sy tsodrano » io.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique