Flash
Préc Suiv

Fanadinana BEPC sy bakalorea: ambenana mpitandro filaminana ny adina fanatanjahantena

Fanadinana BEPC sy bakalorea: ambenana mpitandro filaminana ny adina fanatanjahantena

Efa mandeha ny adina fanatanjahanetana ho an’ny fanadinana bakalorea amin’ireo Cisco maromaro manerana ny Nosy. Nanatanteraka izany ny any Antsohihy sy ny any Ambositra, omaly. Ambenana mpitandro filaminana ny fanatanterahana izany adina fanatanjahantena izany amin’ny toerana sasany. Miaraka amin’ny ray aman-dreny ireo mpianatra ary efa vonona ny hiaro ny mpitandro filaminana ihany koa ny ray aman-dreny, hiaro ny mpampianatra sy ny mpianatra hahavita antsakany sy andavany ny fanadinana.

Nankasitrahan’ny ray aman-dreny teto ny fihetsiky ny mpitandro filaminana izay miaro ny tsy manan-tsiny, ny mpianatra manoloana ny korontana ataon’ireo mpampianatra mitokona manelingelina hatrany mba tsy hahavitan’izany adina fanatanjahantena izany.

Mirotsaka an-tsehatra ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina sy avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena amin’ny fanaovana ny fanadinana.

Eto Antananarivo kosa, tsy mbola misy miainga na ny fanadinana fanatanjahantena BEPC na ny bakalorea. Ho an’ny bakalorea, tsy mbola nisy akory ny fizarana ny taratasy fiantsoana ho amin’izany.

Raha ny hevitry ny mpianatra, efa tena te hianatra fatratra izy ireo satria manahy ny hoaviny ary mahatsapa fa hataon’ny mpampianatra tsinontsinona noho ny fitiavan-tenan’izy ireo tafahoatra.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique