Flash
Préc Suiv

Collectif Tany: toy ny fivarotana tanindrazana ny fampanofana tany maharitra

Collectif Tany: toy ny fivarotana tanindrazana ny fampanofana tany maharitra

Toherin’ny fikambanana Collectif Tany ny fahafahan’ny mpanofa hanao antoka any amin’ny banky ny tany hofainy amin’ny alalan’ny “bail emphytéotique”. Mila omena hasina koa ny Malagasy hisitraka ny tany jariny.

Ankalazain’ny fitondrana ao anatin’ny Fandaharanasa mikasika ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (2016-2020), fa paikady tsy azo ihodivirana sy azo antoka hampandrosoana ny firenena sy ny sehatry ny fambolena ny fampanofana maharitra (bail emphytéotique) velaran-tany antapitrisany hekitara ny tany eto Madagasikara. Maro ny olom-pirenena sy ny fikambanana fiarahamonina sivily manohitra, manakiana ary manameloka izany satria tsy manome vahana ny tombontsoan’ny firenena ary mandray io fepetra io ho toy “ny fivarotana ny tany navelan’ny ray aman-dreny sy ny tanindrazana”.

Ho an’ny fikambanana Collectif Tany, tsy mionona amin’ny fampanofana tsotra ny “bail emphytéotique” fa manome zo manokana ny mpampiasa na ny mpanofa ihany koa. Raha tarafina amin’ny fomba malagasy koa, karazana endrika fivarotana tany mihitsy ny fampanofana maharitra.

Azo atao antoka any amin’ny banky

Araka ny lalàna 96-016, mihoatra ny 18 taona, farafahakeliny, ny faharetan’ny fampanofana maharitra tany ary tsy mihoatra ny 99 taona. Manamarika ny Collectif Tany fa manaitra ny  andininy voalohany ao anatin’io lalàna io, milaza fa “manan-jo hanao antoka ny tany hofainy ny mpanofa ary azo ampiasaina amin’ny fanagiazana fananana (tany na trano)… Izany hoe, azon’ilay mpanofa tany atao ny manao antoka ny tany hofainy any amin’ny banky raha hindram-bola izy ao anatin’ny fe-potoana hanofany ny tany.

Manoloana ireo, manamarika ny Collectif Tany fa maro ny zava-nitranga teto amin’ny firenena tato ho ato. Toy ny fikasan’ny m(n)itondra hampanofa velaran-tany midadasika eto amintsika. Tsy ampy koa ny renivola ampiasain’ny mampiasa vola vahiny amin’ny tetikasany avy ka tsy maintsy mindram-bola any amin’ny banky izy ireo rehefa hanao fifanarahana fampanofana maharitra tany.

Tsy lazain’ny mpitondra amin’ny besinimaro koa, matetika, ny fe-potoana faran’ny fifanarahana fampanofana ny tany satria misy amin’izy ireny ny azo havaozina. Midika izany fa tsy azo antoka intsony sy tena atahorana ny fanaraha-maso ny tanin’ny Malagasy.

Haverina hodinihina ny lalàna

Mitaky ny handinihana lalina mikasika ity lalàna mifehy ny fampanofana tany ity, noho izany, ny Collectif Tany. Ao anatin’izany ny tokony hanesorana io fanomezana alalana hanaovana antoka ny tany hampanofaina maharitra io.

Hampidirina ao anatin’ny fandinihana koa ny maha masina sy zava-dehibe ny tany, hany fitaovana entina mamokatra ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy izay tantsaha. Tsy entam-barotra ny tany izay hararaotin’ny sasany hanaovana fifampiraharahana tsy mazava sy hitadiavana tombontsoa manokana.

Maro ny fanakianana nataon’ny Collectif Tany mikasika ny fandroahana ny mponina eny ifotony sy ny tantsaha eo amin’ny tany jariny vokatry ny “bail emphytéotique”. Mila averina ny fomba fifampivarotana tany nataon’ny Malagasy tany aloha (nentin-drazana) na maro aza ny Malagasy mpahay toekarena sy ny mpitondra tsy mahalala izany.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.