Flash
Préc Suiv

Bianco-Spat: hiara-hiady amin’ny kolikoly

Bianco-Spat: hiara-hiady amin’ny kolikoly

Vita Sonia, ny 10 jolay teo teto Toamasina, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orinasa mitantana ny seranan-sambon’i Toamasina (Spat) sy ny Birao miady amin’ny kolikoly (Bianco). Nambaran’ny tale jeneralin’ny Spat, i Avellin Christian Eddy, fa mila ny finiavan’ny mpisehatra rehetra ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny ady amin’ity fomba mamohehitra ity amin’ny alalan’ny hametrahana Vaomiera miady amin’ny kolikoly (CAC).

Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean Louis, fa tsy maintsy atsangana manerana ny sampandraharaham-panjakana rehetra ny CAC, hatramin’ny taona 2019. Aorian’izay, izany hoe, hanomboka ny taona 2020, tsy hasiana indrafo intsony izay rehetra voasaringotra amin’ny kolikoly. Nomarihiny koa fa efa lany teny amin’ny Antenimiera roa tonta ny lalàna miisa roa mikasika ny ady amin’ny kolikoly ary misy roa hafa mbola haroso.

Sajo sy Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique