Flash
Préc Suiv

Basikety – Fiba 33: 12 mianadahy hifantenana ny ekipam-pirenena

Basikety – Fiba 33: 12 mianadahy hifantenana ny ekipam-pirenena

Taorian’ny fifaninanam-pirenena, amin’ny basikety lalaovina olona telo Fiba 33, fantatra avokoa ny anaran’ireo mpilalao 6 lahy sy 6 vavy, hakana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Togo, ny volana aogositra.

Efa nanomboka ny asabotsy 7 jolay lasa teo, eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena, ny fampivondronana voalohany, ho azy ireo. Isan’andro ny fanazarantena, tarihin’i Deda, izay haharitra hatramin’ny 14 jolay, ho avy izao.

Hitohy ny 15 ka hatramin’ny 27 jolay indray ny andiany faharoa, ka hivoaka amin’ny fiafaran’ity fampivondronana farany ity, ny anaran’ireo 8 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana, ny 28 sy ny 29 jolay ho avy izao.

Mbola ao anatin’ireo voaantso, ireo telo mirahalahy, efa niatrika izany tamin’ny taon-dasa. Anisan’izany, i Elly, tompondakan’i Afrika teo amin’ny “tirs à 3 points” sy i Rick-Ley ary i Fabrice. Sambany kosa vao hiatrika izany amin’ity ny sokajy vehivavy.

Firenena 10 no hiady izany, eo amin’ny lehilahy dia i Egypta ;  Gabon ; Madagasikara ;  Seychelles ; Sodan atsimo ; Tanzania ; Tonizia ; Oganda ; RD Kongo ; Zimbaboe.

7 kosa ny eo amin’ny vehivavy dia : Egypta ; Madagasikara ; Tonizia ; Oganda ; RD Kongo ; Zimbaboe ; Gabon.

Marihina fa tafita hiatrika ny dingana famaranana hatao any Togo, ireo fito voalohany eo amin’ny lehilahy ary ny efatra voalohany eo amin’ny vehivavy.

Torcelin

Ireo mpilalao voafantina voalohany :

 

Lehilahy

1.Randriamampionona Elly (GNBC)

2.Solondrainy Alpha Jean Arnold (2BC)

3.Mandimbison Constant Fabrice (GNBC)

5.Randrianarison Sandrino Walter (Cosfa)

6.Loubacky Rick-Ley (GNBC)

 

Vehivavy

1.Raholiarisoa Fanjatiana Perle (SBBC)

2.Malazarivo Jocelyne (SBBC)

3.Randriatahina Ravaka Sarobidy (SBBC)

  1. Hajanirina Harisoa Muriel (MB2All)

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique