Flash
Préc Suiv

Anosy: vehivavy adala mitora-bato olona

Anosy: vehivavy adala mitora-bato olona

Misy vehivavy iray tsy salama saina miboridana mandehaleha eny Anosy sy ny manodidina eny, efa ho roa andro izao sady mitora-bato sy manenjika olona. Maromaro ireo sendra izany teny an-toerana, ary misy mihitsy aza ny fiara torahiny. Tsy fantatra izy io na avy aiza na avy aiza fa mirenireny eny. Misy koa anefa ny olona milaza fa misy manadala izy io izay vao mihetsika mitora-bato. Hatramin’ny omaly aloha, mbola nirenireny teny izy ity.

Misy ny tompon’andraikitra amin’ireny olona ireny, toy ny BMH, izay afaka maka azy ireny ary manatitra azy ireo any amin’ny toerana fitsaboana olona marary saina. Mety hitera-doza ho an’ny fiarahamonina mantsy ny firiariavan’izy ireny eny an-dalambe. Tranga efa nisy izany satria nisy ny olona tsy salama saina nahafaty olona teto an-dRenivohitra. Ny fianakavian’ireny olona ireny ihany koa, tompon’andraikitra amin’ny havany. Na izany aza, tsy tokony hataon’ny eny an-dalambe ny manadala ireny olona tsy salama saina ireny fa vao mainka mety hampihetsika azy ka hahavanon-doza.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.