Flash
Préc Suiv

Kitra: hifampitady ny Jet Mada sy ny Elgeco Plus

Hanomboka ny zoma 13 jolay ho avy izao ny fihodinana faharoa eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “THB champion’s league”. Toerana roa ny hanatontosana izany: ny eny Vontovorona sy ny any Matsiatra Ambony. Anisan’ny kianja hifantohan’ny sain’ny rehetra ny eny Vontovorona, hifanandrinan’ireo ekipa sangany eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao toy ny Jet Mada, ny Fosa Jr Boeny, ary ny Elgeco Plus.

Hisantatra ny lalao, amin’io andro voalohany io, ny Jet Mada Itasy sy ny Elgeco Plus Analamanga. Hiendrika famaranana kely io fihaonana io satria tsy misy intsony ny kajikajy azo atao fa ho ratsy toerana izay resy eo. Efa nifandona ny roa tonta, nandritra ny dingana voalohany, natao tany Vakinankaratra ary nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko. Any Matsiatra Ambony indray, lalao hafanavay ny fikatrohan’ny Cnaps Sport sy ny FC Vakinankaratra.

Marihina fa hiatrika ny “Poule des As” ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona.

Tompondaka

Ny fandaharan-dalao zoma 13 jolay :

Kianja Vontovorona

11: 00 – Jet Mada # Elgeco Plus

01 : 00 –  Tam Port-Bergé # MTM Maintirano

03 : 00 – Fosa Juniors Boeny # FCA

Kianja Ampasambazaha

11 : 00 – Akon’Ambatomena # Fils Elephant

01 : 00 – Cnaps Sport # FC Vakinankaratra

03 : 00 – Ajesaia # 3FB Atsimo Andrefana

Les commentaires sont fermées.