Flash
Préc Suiv

Tselatra

Fiara 4×4 iray no nifandona tamin’ny fiarakely iray teny Andohan’Analakely, ny asabotsy alina teo. Potika tanteraka ireo fiara nifandona. Naratra ihany koa ireo olona tao anatiny ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly. Fantatra fa nahatonga ny loza ny vokatry ny fandehanana mafy ary niafara tamin’ny fahasimban’ireo fiara.

Naratra mafy koa ireo mpitondra moto nifandona tamin’ny taksiborosy iray hiakatra aty an-dRenivohitra tao Ambodimanga, fokontany Sahavalaina, kaominina ambanivohitra Ambinaninony, Brickaville RN 2, ny asabotsy maraina teo. Tao anaty fiolahana mampidi-doza no nitrangan’ny loza. Fandehanana mafy koa ny nahatonga ny loza. Nalefa ao amin’ny CSB II Ambinaninony ireo naratra. Manao ny fanadihadiana ny zandary ao amin’ny poste fixe Ambinaninony.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique