Flash
Préc Suiv

“Tsy rariny, tafahoatra loatra…”, hoy ny CF: Karana vavy iray indray no nalain’ny jiolahy an-keriny, tetsy Ivandry

“Tsy rariny, tafahoatra loatra…”, hoy ny CF: Karana vavy iray indray no nalain’ny jiolahy an-keriny, tetsy Ivandry

Mila ho isan’andro ny ”kidnapping karana”. Nalain’ny andian-jiolahy nirongo fiadiana mahery vaika an-keriny, tetsy Ivandry indray koa, omaly antoandro, ny vehivavy karana iray, antsoina hoe Shaberah Vasram. Vadina mpandraharaha karana goavana eto an-dRenivohitra izy io.

Fakana an-keriny fanindiminy tao anatin’ny roa herinandro! Omaly tokony  ho tamin’ny 12 ora sy sasany, teo amin’ny parking Assist Ivandry, nalain’ny jiolahy miisa dimy an-keriny ka ny telo tamin’ireo, nitondra Kalachnikov, ny vehivavy karana iray antsoina hoe  Sabira Vasram. Nanatona ny fiara nentin’ity karana vavy ity avy hatrany ny fiara nentin’ireo jiolahy. Nivoaka izy dimy lahy ary namaky ny fitaratry ny fiaran’ilay Karana, ary nisintona azy io avy ao. Naiditr’izy ireo tao anatin’ny fiara 4×4 iray misy fitaratra miloko mainty avy hatrany ilay Karana. Nahita izany ny mpiambina ny Assist ka nanidy ny vavahady, kanjo voaambana basy ka tsy afa nihetsika. Nivoaka moramora ny fiaran’ireo jiolahy ary nitsoaka tamin’iny lalana alarobia iny, tsy nisy arakaraka.

Voalaza fa vadina tompona orinasa mpivarotra fiara eny Ankorondrano ity Sabira Vasram ity. Handeha hamonjy sakafo antoandro miaraka amin’ny fianakaviany izy, izao nalaina an-keriny izao. Hitan’ny olona teny an-toerana ity tranga ity, izay tsy nisy afaka nanao na inona na inona nanoloana ny basy mirangaranga. Nilaza ny nahita maso fa lehilahy lava ranjanana avokoa ireo mpaka an-keriny, nanao akanjo “blouson” mitovitovy ary nanao saron-tava. “Manoatra noho ireny mpitandro filaminana mpisambotra olona ireny ireo jiolahy ary hita fa havanana amin’ny zavatra ataony”, hoy ny nahita maso.

Fakana an-keriny efa 113

Voalaza fa fakana an-keriny teratany efa faha 113 izy ity hatramin’ny taona 1991 ka hatramin’izao. Nahatratra 11 ny fakana an-keriny ny taona 2017 ary valo tamin’ity 2018 ity. Efa tafahoatra tanteraka ny raharaha “kidnapping” eto amintsika. Vao afakomaly ny tany Mahajanga, vao ny alatsinainy teo no votsotra i Pirbay , ilay nalaina an-keriny tany Toamasina, izay naharitra 25 andro tany am-pelatanan’izy ireo.

Miraviravy tanana ihany ny mpitandro filaminana manoloana itony tranga itony. Toy ny miala maina eo anatrehan’ny mpaka an-keriny? Nisy ihany ny efa tratra, saingy tsy lasa lavitra ny fanadihadiana nataon’izy ireo, matoa miverina hatrany ity asan-jiolahy ity. Ny praiminisitra, ny minisitra tompon’andraikitra samy efa nilaza fa hiady amin’izy ity, saingy toa tsy misy vokany akory.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.